Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 21:20 - Baiboly Katolika

20 avy any Bamôta, dia nankany amin’ny lohasaha izay ao amin’ny sahan’i Moaba, eo an-tampon’i Fasgà, izay manerinerina amin’ny efitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 nony niala tany Bamota dia nankany amin’ny lohasaha izay ao amin’ny tany Moaba, ao an-tampon’i Pisga, izay manatrika ny tany efitra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

20 ary farany, rehefa niala tao Bamôta izy, dia nankany an-dohasaha mamaky ny tanin’i Môaba, ka tafapaka hatrany an-tampon’i Pisgà izay ahatazanana ny taniefitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 ary farany, rehefa niala tao Bamôta izy, dia nankany an-dohasaha mamaky ny tanin’i Môaba, ka tafapaka hatrany an-tampon’i Pisgà izay ahatazanana ny taniefitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 ary nony niala tao Bamota izy, dia nankany an-dohasaha izay ao amin’ny tany Moaba, ao an-tampon’i Pisga, izay manatrika ny efitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 ary nony niala tao Bamota izy, dia nankany an-dohasaha izay ao amin'ny tany Moaba, ao an-tampon'i Pisga, izay manatrika ny efitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 nony niala tany Bamota dia nankany amin’ny lohasaha izay ao amin’ny tany Moaba, ao an-tampon’i Pisga, izay manatrika ny tany efitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 21:20
11 Rohy Ifampitohizana  

Avy tany an’efitra izy ireo, dia nankany Matàna; avy any Matàna dia nankany Nahaliela; avy any Nahaliela, dia nankany Bamôta;


Ary i Israely nandefa iraka ho any amin’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, hanao aminy hoe:


Dia nandroso ny zanak’i Israely ka nitoby tao amin’ny lohasahan’i Moaba, tandrifin’i Jerikao.


Dia nentiny nankany an-tsahan’ny Tily, an-tampon’i Fasgà izy, ka nony efa nanangana ôtely fito, dia nanatitra vantotr’ombalahy iray sy ondralahy iray avy isan’ôtely izy.


Dia nentin’i Balàka i Balaama ho any an-tampon’i Fogôra izay manerinerina amin’ny efitra.


Ireo no lehilahy voaisan’i Môizy sy i Eleazara mpisorona, izay nanisa ny zanak’i Israely teo amin’ny tany lemak’i Moaba, akaikin’i Jordany, tandrifin’i Jerikô.


Tany an-dafin’i Jordany, amin’ny tany Moaba, dia nanomboka nivaofy izao lalàna izao i Môizy nanao hoe:


Miakara any an-tampon’i Fasgà, dia atopazo miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana ny masonao, ka tazano amin’ny masonao, fa ianao tsy hìta io Jordany io.


Niakatra avy eo an-tany lemak’i Moaba i Môizy, nankany an-tendrombohitra Nebao, ao an-tampon’i Fasgà, tandrifin’i Jerikao.


mbamin’ny Arabaha rehetra an-dafin’i Jordany, any atsinanana, ka hatramin’ny Ranomasin’ny Arabaha eo ambodin’i Fasgà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra