«Mialà, mialà, mivoaha teo ianareo; aza mikasika izay maloto. Mivoaha avy ao aminy, mandiova tena ianareo, izay mitondra ny fanak’i Iaveh.
Nomery 19:11 - Baiboly Katolika Izay mikasika faty, rehefa mety ho fatin’olona, dia haloto hafitoana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izay mikasika fatin’olona dia haloto mandritra ny hafitoana. DIEM PROTESTANTA «Izay mikasika fatin’olona dia haloto mandritra ny fito andro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Izay mikasika fatin’olona dia haloto mandritra ny fito andro. Baiboly Protestanta Malagasy Izay mikasika fatin’olona dia haloto hafitoana. Malagasy Bible Izay mikasika fatin'olona dia haloto hafitoana. La Bible en Malgache Izay mikasika fatin’olona dia haloto mandritra ny hafitoana. |
«Mialà, mialà, mivoaha teo ianareo; aza mikasika izay maloto. Mivoaha avy ao aminy, mandiova tena ianareo, izay mitondra ny fanak’i Iaveh.
Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy ireo, sady nihosin-dra, hany ka tsy azo nokasihina akory ny fitafiany.
Handevina azy ireo ny taranak’i Israely, mba hanadiovany ny tany, mandritra ny fito volana mipaka.
Ireo no ho maloto aminareo amin’ny biby mandady; ka haloto mandra-paharivan’ny andro izay rehetra mikasika ny fatin’ireo.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: Mitenena amin’ny mpisorona zanak’i Aarôna ka lazao azy ireo hoe: «Aza misy mandoto tena raha misy maty eo amin’ny fireneny,
Ny olona rehetra amin’ny taranak’i Aarôna, izay azon’ny habokana na marary mitsîka dia tsy hihinana ny zava-masina mandra-pahadiony. Torak’izany koa izay nikasika olona voaloto, nikasika fasika, izay nandeha rano maloto,
Raha misy olona tsy nahita, ka nahakasika zavatra maloto, toy ny fatim-biby dia tsy madio, na fatim-biby fiompy tsy madio, na fatim-biby mandady tsy madio, dia tonga tsy madio koa izy amin’izany, ka nahazo fahotana;
Ary hoy i Akjea: Raha olona voaloto amim-paty kosa no mikasika an’izany, ho voaloto va izany? Namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho voaloto izany.
Na iza na iza any an-tsaha, mikasika olona novonoin-tsabatra, na fatin’olona, na taolam-paty, na fasana, dia haloto hafitoana.
Ary ianareo dia mitobia any ivelan’ny toby mandritra ny hafitoana, ka izay rehetra nahafaty olona, na nikasika faty, dia samia mandio tena, amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito, na ianareo na ny sambotrareo.
«Asaovy avoaky ny zanak’i Israely any ivelan’ny toby izay rehetra boka, na voan’ny fitsihana, na voaloton’ny faty.
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy aminareo, na amin’ny taranakareo, maloto am-paty na lasa nivahiny an-tany lavitra, dia hanao ny Paka ho hajan’i Iaveh izy;
Nisy olona sasany sendra voaloto tamim-paty ka tsy afa-nanao ny Paka tamin’izany andro izany. Nankeo anatrehan’i Môizy sy i Aarôna androtr’izay ihany izy ireo, ka nanao tamin’i Môizy hoe:
Dia nentin’i Paoly ireo lehilahy ireo, ka nony ampitso rehefa niara-nandio tena taminy izy, dia niditra tao an-Tempoly nilaza fa tapitra ny andro hahatanterahan’ny fandiovan-tena, dia tonga tao izy mandra-panatitra ny fanatitra ho an’ny isan-dahy.
Nony efa ho tapitra ny hafitoana, dia nahita an’i Paoly tao an-Tempoly ny Jody avy tany Azia, ka sady nampikorontana ny vahoaka rehetra no nisambotra azy tamim-piantsoana hoe:
Noho izany àry, dia tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray, sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra:
Noho izany, hoy ny Tompo, mialà aminy ianareo, ka misaraha; fa aza mikasika ny maloto;
mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!