Nomery 19:10 - Baiboly Katolika Izay nanangona ny lavenon’ny ombivavy dia hanasa ny lambany, ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely sy ho an’ny vahiny mitoetra eo aminy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ilay nanangona ny lavenon’ny vantotra ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan’ny andro izy. Ho lalàna maharitra ho an’ny Zanak’Israely sy ny mpifindra monina eo aminy izany. DIEM PROTESTANTA Hanasa ny fitafiany koa ilay hanangona ny lavenon’ny ombivavy, saingy mbola haloto mandra-paharivan’ny andro. Ho lalàna raikitra izany ho an’ny Israelita sy ny vahiny valovotaka ao aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hanasa ny fitafiany koa ilay hanangona ny lavenon’ny ombivavy, saingy mbola haloto mandra-paharivan’ny andro. Ho lalàna raikitra izany ho an’ny Israelita sy ny vahiny valovotaka ao aminy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ilay nanangona ny lavenon’ny vantotr’ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan’ny andro; ary ho lalàna mandrakizay ho an’ny Zanak’Isiraely sy ny vahiny eo aminy izany. Malagasy Bible Ary ilay nanangona ny lavenon'ny vantotr'ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro; ary ho lalàna mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny eo aminy izany. La Bible en Malgache Ary ilay nanangona ny lavenon’ny vantotra ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan’ny andro izy. Ho lalàna maharitra ho an’ny Zanak’Israely sy ny mpifindra monina eo aminy izany. |
ary na zovy na zovy hitondra tapaky ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro.
Izay niditra tao an-trano mandritra ny fotoana nilazana azy hoe mihidy, dia haloto mandra-paharivan’ny andro.
Ny olona madio no hamafy amin’izay maloto, amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito, ka hanala ny otany amin’ny andro fahafito. Dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ilay maloto, ka hadio rehefa hariva.
Lalàna mandrakizay ho azy ireo izany. Izay mamafy ny rano manafaka ny loto, dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano manafaka ny loto, dia haloto mandra-paharivan’ny andro.
ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody, voafora na tsy voafora, barbarianina na Sita, mpanompo na olona afaka, fa izao ihany: i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra.