Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 11:25 - Baiboly Katolika

25 ary na zovy na zovy hitondra tapaky ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Hanasa ny fitafiany izay rehetra mitondra ny fatiny ka haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

25 ary na zovy na zovy mitondra ny fatin’ireo, dia haloto koa mandra-paharivan’ny andro sady tsy mainty hanasa fitafiana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 ary na zovy na zovy mitondra ny fatin’ireo, dia haloto koa mandra-paharivan’ny andro sady tsy mainty hanasa fitafiana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary izay rehetra mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ary haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary izay rehetra mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ary haloto mandra-paharivan'ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Hanasa ny fitafiany izay rehetra mitondra ny fatiny ka haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 11:25
34 Rohy Ifampitohizana  

fony i Natàna mpaminany nankao aminy, nony efa nandeha tamin’i Betsabea izy.


Indro izaho teraka tamin’ny heloka; ineny koa torontoronina ahy tamin’ny fahotana.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandehana mankany amin’ny vahoaka, ka hamasino izy anio sy ampitso, ary asaovy sasàny ny fitafiany.


Dia nidina avy any an-tendrombohitra i Môizy nankeo amin’ny vahoaka ka nanamasina azy, ary nanasa ny fitafiany izy ireo.


«Izao koa no hahaloto anareo, ka na zovy na zovy no hikasika ny fatiny, dia haloto mandra-paharivan’ny andro;


Ny biby rehetra mivaky kitro, nefa tsy misampan-tongotra sy tsy mandinika, dia haloto aminareo, ka haloto izay rehetra mikasika azy.


ary izay rehetra nitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro. Ho zava-maloto aminareo ireo biby ireo.»


ary izay mihinana ny fatiny, hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro; izay hitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro.


Amin’ny andro fahafito hozahan’ny mpisorona indray izy ka raha mihamatromatroka ny fery, sady tsy nanitatra eo amin’ny hoditra, dia holazain’ny mpisorona fa madio izany olona izany; anakandro izany, ka hanasa ny lambany izy, dia ho madio.


Izay niditra tao an-trano mandritra ny fotoana nilazana azy hoe mihidy, dia haloto mandra-paharivan’ny andro.


Izay nandry tao an-trano hanasa ny fitafiany, izay nihinana tao an-trano hanasa ny fitafiany.


Izay midio hanasa ny fitafiany, hanaratra ny volon-kodiny rehetra ary handro amin’ny rano, dia hadio izy, ka hahazo miditra an-toby, nefa mbola hijanona eo ivelan’ny lainy hafitoana.


Rehefa sitrana amin’ny fitsihany ilay marary mitsîka, hanisa andro fito aloha amin’ny fidiovany, vao hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano velona, dia hadio.


Ary ny mpisorona hanatitra azy ireo, ny iray hatao sorona noho ny ota, ny iray hatao sorona dorana. Ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh noho ny fitsihany.


Izay mikasika ny fandriany dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.


Ilay nandefa ny osy lahy ho an’i Azazela, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano aloha, vao hiditra ao an-toby.


Hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano izay nandoro azy izy, vao hiditra ny toby.


Ny olona rehetra na tompon-tany na vahiny, mihinana biby maty ho azy na voaviravira, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro, vao hadio.


haloto mandra-paharivan’ny andro izay nikasika ireo zavatra ireo, ka tsy hihinana ny zava-masina, handro amin’ny rano izy,


Amin’izany andro izany, hisy loharano hisokatra, ho an’ny taranak’i Davida sy ny mponina ao Jerosalema, hanasa ny fahotana amam-pahalotoana.


Izay nanangona ny lavenon’ny ombivavy dia hanasa ny lambany, ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely sy ho an’ny vahiny mitoetra eo aminy.»


Ny olona madio no hamafy amin’izay maloto, amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito, ka hanala ny otany amin’ny andro fahafito. Dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ilay maloto, ka hadio rehefa hariva.


Dia hosasan’ny mpisorona ny fitafiany ary hampandroiny amin’ny rano ny tenany; manaraka izany, dia hiditra eo an-toby izy, ka haloto mandra-paharivan’ny andro.


Izay nandoro ny omby dia hanasa ny fitafiany amin’ny rano, ary hampandro ny tenany amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro.


Sasao ny lambanareo amin’ny andro fahafito; dia hadio ianareo, ka hahazo miditra amin’ny toby rehefa afaka izany.»


Fa hoy i Piera taminy: «Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana na oviana Ianao.» Ka hoy i Jesoa namaly azy: «Raha tsy sasako ianao, dia tsy hanana anjara amiko.»


Ary ankehitriny, inona no andrasana? Mitsangàna, raiso ny Batemy, ary mialà amin’ny fahotana, amin’ny fiantsoana ny Anaran’i Jesoa.


dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin’ny fo voafafy ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota, sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.


fa naman’ny hanina, sy fisotro ary fidiovana samihafa fotsiny, dia fitsipika momba ny nofo ihany, ary voadidy ambara-piavin’ny andro fanoloana azy ihany.


Ary amin’ny rano ihany koa ankehitriny, dia amin’ny Batemy izay tenan’io tandindona io, sy tsy fanadiovana ny loton’ny vatana, fa fangatahana fo tsara amin’Andriamanitra, no amonjena anareo noho ny nitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona,


Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.


Dia hoy ny navaliko azy: «Ianao no mahalala, Tompoko.» Ary hoy izy tamiko: «Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny Ran’ny Zanak’ondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra