Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 11:24 - Baiboly Katolika

24 «Izao koa no hahaloto anareo, ka na zovy na zovy no hikasika ny fatiny, dia haloto mandra-paharivan’ny andro;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Ireo no ho zava-maloto aminareo; koa izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

24 «Ireto biby hotanisaina manaraka ireto koa dia hahaloto anareo. Na zovy na zovy mikasika ny fatin’ireo, dia haloto mandra-paharivan’ny andro;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 «Ireto biby hotanisaina manaraka ireto koa dia hahaloto anareo. Na zovy na zovy mikasika ny fatin’ireo, dia haloto mandra-paharivan’ny andro;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Dia ireo no ho zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Dia Ireo no ho zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan'ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Ireo no ho zava-maloto aminareo; koa izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 11:24
36 Rohy Ifampitohizana  

Izao no nambaran’i Iavehn’ny tafika tamiko: «Tsy havela izany helokareo izany, mandra-pahafatinareo», hoy ny Tompo Iavehn’ny tafika.


Fa ny biby hafa manana elatra mandia tongotra efatra, dia ho zava-betaveta aminareo avokoa.»


ary na zovy na zovy hitondra tapaky ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro.


Ireo no ho maloto aminareo amin’ny biby mandady; ka haloto mandra-paharivan’ny andro izay rehetra mikasika ny fatin’ireo.


Koa aza mihinana ny henany, na mikasika izay fatiny akory, fa maloto aminareo ireny.»


Izay niditra tao an-trano mandritra ny fotoana nilazana azy hoe mihidy, dia haloto mandra-paharivan’ny andro.


Izay mikasika ny zavatra natao teo ambaniny, haloto mandra-paharivan’ny andro, ary izay mitondra izany, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro.


Izay voakasiky ny marary mitsîka ka tsy nanasa tanana tamin’ny rano, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.


Ary ny mpisorona hanatitra azy ireo, ny iray hatao sorona noho ny ota, ny iray hatao sorona dorana. Ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh noho ny fitsihany.


izay rehetra hikasika ny fandriany, hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.


Izay rehetra hikasika zavatra nipetrahany, hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.


Raha misy zavatra eo amin’ny fandriany, na eo amin’ny seza nipetrahany, dia haloto mandra-paharivan’ny andro izay mikasika izany.


Izay rehetra hikasika izany, haloto ka hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.


Izay mikasika ny fandriany dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.


Izay mipetraka amin’ny zavatra nipetrahan’ny olona mitsîka, dia hanasa ny fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.


Izay mikasika ny tenan’ny marary mitsîka dia hanasa ny fitafiana sy handro amin’ny rano.


Izay olona madio raha voaroran’ny marary mitsîka dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro io olona io.


Ilay nandefa ny osy lahy ho an’i Azazela, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano aloha, vao hiditra ao an-toby.


Hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano izay nandoro azy izy, vao hiditra ny toby.


Ny olona rehetra amin’ny taranak’i Aarôna, izay azon’ny habokana na marary mitsîka dia tsy hihinana ny zava-masina mandra-pahadiony. Torak’izany koa izay nikasika olona voaloto, nikasika fasika, izay nandeha rano maloto,


izay nikasika biby mandady nahaloto azy, na olona maloto namindra fahalotoana taminy, na fahalotoana inona na fahalotoana inona,


haloto mandra-paharivan’ny andro izay nikasika ireo zavatra ireo, ka tsy hihinana ny zava-masina, handro amin’ny rano izy,


Raha misy olona tsy nahita, ka nahakasika zavatra maloto, toy ny fatim-biby dia tsy madio, na fatim-biby fiompy tsy madio, na fatim-biby mandady tsy madio, dia tonga tsy madio koa izy amin’izany, ka nahazo fahotana;


Ary izay nikasi-java-maloto, na loton’olona na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, raha mihinana amin’ny henan’ny sorom-pihavanana, izay an’i Iaveh, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny izany olona izany.


Dia hosasan’ny mpisorona ny fitafiany ary hampandroiny amin’ny rano ny tenany; manaraka izany, dia hiditra eo an-toby izy, ka haloto mandra-paharivan’ny andro.


Aza mety hofitahina ianareo, fa ny fiarahana amin’ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.


Noho izany, hoy ny Tompo, mialà aminy ianareo, ka misaraha; fa aza mikasika ny maloto;


Aza mba mikambakambana amin’izay asan’ny maizina tsy mahavokatsoa, fa vao mainka ambarao aza ny haratsian’ireny,


Raha niara-maty tamin’i Kristy ny amin’ireny abidim-pianaran’izao tontolo izao ireny àry ianareo, nahoana no hoatra ny mbola velona amin’izao tontolo izao ihany, ka mety hodidiana foana hoe:


raha izany dia ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa indray mandeha monja Izy no niseho tamin’izao andro farany izao, mba hamongotra ny fahotana tamin’ny nanolorany ny Tenany ho sorona.


Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra