Izao no haloan’izay rehetra anatin’ny voaisa: antsasaky ny sikla masina izay roapolo gerà; antsasaky ny sikla no ho fanatitra halaina ho an’i Iaveh.
Nomery 18:16 - Baiboly Katolika Ny amin’ny fanavotana azy dia asaovy avotana rehefa teraka iray volana izy, araka izay nanombanana azy, dia dimy sikla volafotsy araka ny sikla masina izay roapolo gerà avy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny amin’ny fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay anombanana azy, dia sekela dimy na gera roapolo, araka ny sekela masina. DIEM PROTESTANTA Ny fanavotana ny zaza, izay azo aloa rehefa feno iray volana izy, dia vola sekela dimy araka ny sekela masina izay milanja folo grama. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny fanavotana ny zaza, izay azo aloa rehefa feno iray volana izy, dia vola sekela dimy araka ny sekela masina izay milanja folo grama. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny amin’ny fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay ataonao tombany, dia sekely dimy, araka ny sekely masina (gera roa-polo izany). Malagasy Bible Ary ny amin'ny fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay ataonao tombany, dia sekely dimy, araka ny sekely masina (gera roa-polo izany). La Bible en Malgache Ny amin’ny fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay anombanana azy, dia sekela dimy na gera roapolo, araka ny sekela masina. |
Izao no haloan’izay rehetra anatin’ny voaisa: antsasaky ny sikla masina izay roapolo gerà; antsasaky ny sikla no ho fanatitra halaina ho an’i Iaveh.
Ny tontalin’ny volamena nanaovana ny zavatra, izay zavatra rehetra natao momba ny fitoerana masina, dia talenta sivy amby roapolo sy sikla telopolo amby fiton-jato, araka ny sikla masina; volamena avy amin’ny fanatitra ireo.
Ny voalohan-teraky ny nofo rehetra ateriny ho an’i Iaveh, na olona na biby, dia ho anao avokoa. Kanefa asaovy avotana ny voalohan-teraky ny olona, sy ny voalohan-teraky ny biby maloto.
Fa ny voalohan-teraky ny omby kosa, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky ny osy, dia aza asaina avotana fa masina ireny; ka ararakao eo ambonin’ny ôtely ny rany, hodoranao hanetona ny saborany, sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh;
Ny amin’ny avotr’ireo lahy matoa 273 amin’ny zanak’i Israely, izay mihoatra isa noho ny Levita,
dia sikla dimy isan’olona no horaisinao aminy, ka araka ny sikla masina, izay gerà roapolo avy, no handraisanao azy;