Nisy lehilahy anankiray avy any Baala-Salira nitondra mofo natao tamin’ny santa-bary ho an’ity olon’Andriamanitra, dia mofo orja roapolo, sy vary vaovao tao an-dasàkany; ka hoy i Elisea: «Omeo ny olona hohaniny.»
Nomery 18:13 - Baiboly Katolika Ho anao ny voaloham-bokatry ny taniny haterin’izy ireo ho an’i Iaveh. Hihinana amin’izany izay rehetra madio ao an-tranonao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin’ny taniny, izay hatolony ho an’NY TOMPO, dia ho anao. Izay rehetra madio amin’ny ankohonanao no mahazo mihinana aminy. DIEM PROTESTANTA Eny, ho anareo avokoa ny santa-bokatry ny taniny, izay hateriny amiko. Izay rehetra madio ao an-tranonareo dia afaka hihinana izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Eny, ho anareo avokoa ny santa-bokatry ny taniny, izay hateriny amiko. Izay rehetra madio ao an-tranonareo dia afaka hihinana izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin’ny taniny, izay hateriny ho an’i Jehovah, dia ho anao; izay rehetra madio amin’ny ankohonanao no mahazo mihinana azy. Malagasy Bible Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin'ny taniny, izay hateriny ho an'i Jehovah, dia ho anao; izay rehetra madio amin'ny ankohonanao no mahazo mihinana azy. La Bible en Malgache Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin’ny taniny, izay hatolony ho an’NY TOMPO, dia ho anao. Izay rehetra madio amin’ny ankohonanao no mahazo mihinana aminy. |
Nisy lehilahy anankiray avy any Baala-Salira nitondra mofo natao tamin’ny santa-bary ho an’ity olon’Andriamanitra, dia mofo orja roapolo, sy vary vaovao tao an-dasàkany; ka hoy i Elisea: «Omeo ny olona hohaniny.»
Rehefa naely izany didy izany, dia nanateran’ny zanak’i Israely be dia be ny santatry ny varimbazaha, ny divay vaovao, ny diloilo, ny tantely, mbamin’ny vokatry ny tany isan-karazany; be koa ny fahafolon-karena nentiny avy amin’ny vokatra rehetra.
«Aza milasilasy amin’ny fanaterana amiko ny voaloham-bokatry ny varinao sy ny voalobokao. Atolory ahy ny lahy matoa amin’ny zanakao lahy.
«Haterinao ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrao ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.»
«Atero ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrao ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao.» «Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.»
Ny iray tamin’ireo harona ireo, nisy aviavy tsara dia tsara, toy ny aviavy vokatra voalohany; ny iray kosa, nisy aviavy ratsy dia ratsy, tsy azo hanina akory noho ny haratsiany loatra.
Ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra isan-karazany, mbamin’ny fanatitra rehetra isan-karazany haterinareo, dia ho an’ny mpisorona; omeo ny mpisorona koa ny santatry ny fitotoam-barinareo, mba hitoeran’ny tso-drano ao amin’ny tranonareo.
Tahaka ny voaloboka any an’efitra no ahitako an’i Israely; tahaka ny voaloham-bokatry ny aviavy tanora no nahitako ny razanareo. Kanjo tonga tao Beelfegôra izy ireo, sy nanolo-tena ho an’ny sampy vetaveta, ka tonga vetaveta tahaka itsy zava-tiany ihany.
ka hadio, rehefa maty ny masoandro, dia hahazo mihinana ny zava-masina, fa fihinany izany.
Mitondrà, avy any an-tranonareo, mofo roa, ho fanatitra hahevaheva natao tamin’ny lafarina tsara indrindra roa ampahafolon’ny efah, sy nandrahoina nasiana lalivay; santa-bokatra ho an’i Iaveh izany.
Indrisy! Ity izaho toy ny rehefa vita ny fitoazam-boankazo fahavaratra, toy ny rehefa vita ny fitsimponam-boaloboka efa voaoty: tsy misy salohy iray akory hohanina! Ny voaloham-boan’aviavy, izay tsiriritin’ny fanahiko, tsy misy na iray aza.
Homenao azy koa ny santatry ny varinao, sy ny divainao vaovao sy ny diloilonao ary ny santatry ny volon’ondrinao;
dia angalao avokoa ny santatry ny vokatry ny tany rehetra azonao amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao, ka ataovy ao an-tsobika, dia mankanesa amin’ny fitoerana hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany.