Levitikosy 23:17 - Baiboly Katolika17 Mitondrà, avy any an-tranonareo, mofo roa, ho fanatitra hahevaheva natao tamin’ny lafarina tsara indrindra roa ampahafolon’ny efah, sy nandrahoina nasiana lalivay; santa-bokatra ho an’i Iaveh izany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201117 Mitondrà mofo roa avy any amin’ny fonenanareo hatao fanatitra asandratra; hatao amin’ny koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha izany ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an’NY TOMPO izany. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA17 ka mitondrà, avy amin’ny fonenanareo, mofo roa ho fanatitra hahevaheva eo anatrehako. Ireo mofo ireo dia hatao amin’ny koba lafarinina tsara, milanja telo kilao, ka hasiana leviora no hanendasana azy: voaloham-bokatra natokana ho Ahy TOMPO izany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara17 ka mitondrà, avy amin’ny fonenanareo, mofo roa ho fanatitra hahevaheva eo anatrehako. Ireo mofo ireo dia hatao amin’ny koba lafarinina tsara, milanja telo kilao, ka hasiana leviora no hanendasana azy: voaloham-bokatra natokana ho Ahy TOMPO izany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy17 Ary mitondrà mofo roa avy amin’ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin’ny koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an’i Jehovah izany. Jereo ny tokoMalagasy Bible17 Ary mitondrà mofo roa avy amin'ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin'ny koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an'i Jehovah izany. Jereo ny toko |