Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 18:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Eny, ho anareo avokoa ny santa-bokatry ny taniny, izay hateriny amiko. Izay rehetra madio ao an-tranonareo dia afaka hihinana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin’ny taniny, izay hatolony ho an’NY TOMPO, dia ho anao. Izay rehetra madio amin’ny ankohonanao no mahazo mihinana aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Eny, ho anareo avokoa ny santa-bokatry ny taniny, izay hateriny amiko. Izay rehetra madio ao an-tranonareo dia afaka hihinana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ho anao ny voaloham-bokatry ny taniny haterin’izy ireo ho an’i Iaveh. Hihinana amin’izany izay rehetra madio ao an-tranonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin’ny taniny, izay hateriny ho an’i Jehovah, dia ho anao; izay rehetra madio amin’ny ankohonanao no mahazo mihinana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin'ny taniny, izay hateriny ho an'i Jehovah, dia ho anao; izay rehetra madio amin'ny ankohonanao no mahazo mihinana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin’ny taniny, izay hatolony ho an’NY TOMPO, dia ho anao. Izay rehetra madio amin’ny ankohonanao no mahazo mihinana aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 18:13
13 Rohy Ifampitohizana  

Nisy lehilahy tonga avy any Bahala-Salisà izay nitondra mofo ôrza roapolo sy varim-bazaha iray kitapo santa-bokatra ho an’ity olon’Andriamanitra. Dia nilazan’i Elisà ny mpanompony mba hizara ireo hohanin’ny olona;


Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Israelita: dia vary sy divay, menaka sy tantely mbamin’ny vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin’ny zavatra rehetra dia betsaka koa no nentiny.


«Momba ny voalohan-teraky ny ombivavy na voalohan-teraky ny ondry aman’osy, dia avelao ho eo amin’ny reniny ihany mandritra ny fito andro; fa amin’ny andro fahavalo izy dia atero ho sorona ho Ahy.


Haterinareo ao an-tranoko ny santatry ny vokatry ny taninareo satria Izaho no Tompo Andriamanitrareo. Nefa aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.


Haterinareo ao an-tranoko ny santa-bokatry ny taninareo satria Izaho no TOMPO Andriamanitrareo; nefa aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.»


Ny sobika voalohany dia nisy aviavy tsara dia tsara toy ny aviavy masaka voalohany. Ny sobika faharoa kosa nisy aviavy ratsy loatra ka tsy azo hanina.


Horaisin’ny mpisorona ny santatry ny voaloham-bokatra ary izay rehetra navahana ho Ahy tamin’ny harenan’ny Israelita. Homen’ny olona azy koa ny koba lafarinina tsara indrindra mba hitahiako ny ao an-tranony.


«Tahaka ny voaloboka any an-taniefitra no nahitako an’i Israely, tahaka ny aviavimbazaha masaka aloha indrindra no nahitako ny razanareo. Saingy rehefa mby tao Bahala-Pehôra izy, dia nanokan-tena ho amin’ny henatra ka tonga maharikoriko toy ilay Bahala notiaviny ihany.


Ary rehefa milentika ny masoandro, dia hadio ilay mpisorona; ka izay izy vao mahazo mihinana amin’ny zava-masina, satria izany no fihinany.


ka mitondrà, avy amin’ny fonenanareo, mofo roa ho fanatitra hahevaheva eo anatrehako. Ireo mofo ireo dia hatao amin’ny koba lafarinina tsara, milanja telo kilao, ka hasiana leviora no hanendasana azy: voaloham-bokatra natokana ho Ahy TOMPO izany.


Indrisy, tahaka ny olona mioty aviavy aorian’ny fiotazam-boankazo aho ka tsy mahita aviavy masaka ifotony izay ankafiziko tokoa; ary tahaka ny olona mitsimpona sampaho aorian’ny fiotazam-boaloboka aho, ka tsy mahita voaloboka firy hohanina!


homenareo azy koa ny voaloham-bokatrareo na vary na divay na menaka; ary homenareo azy ny volon’ireo ondry aman’osy voalohany hetezanareo.


dia makà ampahan’ny voaloham-bokatra rehetra azonareo avy amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, ka ataovy an-tsobika izany. Dia mankanesa amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo mba hipetrahan’ny voninahiny;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra