Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 18:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Homeko anareo koa ny tsara indrindra amin’ny menaka sy ny divay vaovao ary ny vary sy ny voamaina izay aterin’ny Israelita ho voaloham-bokatra ho Ahy TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Izay rehetra tsara indrindra amin’ny diloilo sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny voaloham-bokatra aminy, izay atolony ho an’NY TOMPO, dia efa nomeko anao koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Homeko anareo koa ny tsara indrindra amin’ny menaka sy ny divay vaovao ary ny vary sy ny voamaina izay aterin’ny Israelita ho voaloham-bokatra ho Ahy TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Omeko anao avokoa ny tsara indrindra amin’ny diloilo, sy ny tsara indrindra amin’ny divay vaovao sy amin’ny vary, dia ny voaloham-bokatra hateriny ho an’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Izay rehetra tsara indrindra amin’ny diloilo sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny voaloham-bokatra aminy, izay ateriny ho an’i Jehovah, dia efa nomeko anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Izay rehetra tsara indrindra amin'ny diloilo sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny voaloham-bokatra aminy, izay ateriny ho an'i Jehovah, dia efa nomeko anao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Izay rehetra tsara indrindra amin’ny diloilo sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny voaloham-bokatra aminy, izay atolony ho an’NY TOMPO, dia efa nomeko anao koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 18:12
19 Rohy Ifampitohizana  

Homen’Andriamanitra anao anie ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany ary ny vary aman-divay betsaka!


Nisy lehilahy tonga avy any Bahala-Salisà izay nitondra mofo ôrza roapolo sy varim-bazaha iray kitapo santa-bokatra ho an’ity olon’Andriamanitra. Dia nilazan’i Elisà ny mpanompony mba hizara ireo hohanin’ny olona;


Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Israelita: dia vary sy divay, menaka sy tantely mbamin’ny vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin’ny zavatra rehetra dia betsaka koa no nentiny.


manisy fiadanana ny faritaninao sy mamoky anao amin’ny vary tsara indrindra,


Izay mpankahala ny TOMPO ho nikoy tamiko; ny famaizany azy ho naharitra mandrakizay.


«Momba ny voalohan-teraky ny ombivavy na voalohan-teraky ny ondry aman’osy, dia avelao ho eo amin’ny reniny ihany mandritra ny fito andro; fa amin’ny andro fahavalo izy dia atero ho sorona ho Ahy.


Haterinareo ao an-tranoko ny santatry ny vokatry ny taninareo satria Izaho no Tompo Andriamanitrareo. Nefa aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.


Haterinareo ao an-tranoko ny santa-bokatry ny taninareo satria Izaho no TOMPO Andriamanitrareo; nefa aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.»


Horaisin’ny mpisorona ny santatry ny voaloham-bokatra ary izay rehetra navahana ho Ahy tamin’ny harenan’ny Israelita. Homen’ny olona azy koa ny koba lafarinina tsara indrindra mba hitahiako ny ao an-tranony.


Ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manolotra leviora na tantely ho an’ny TOMPO; kanefa tsy mba hakarina eo ambonin’ny alitara hanetona ho hanitra ankasitrahina izany.


«Rehefa manolotra fanatitra voaloham-bokatra ho an’ny TOMPO ianao, dia salohim-bary no endaso amin’ny afo, ary totoy ho lango ny voam-bary voaendy; ka io lango io no hatolotrao ho fanatitra voaloham-bokatrao. Alohan’ny hanolorana azy,


ka mitondrà, avy amin’ny fonenanareo, mofo roa ho fanatitra hahevaheva eo anatrehako. Ireo mofo ireo dia hatao amin’ny koba lafarinina tsara, milanja telo kilao, ka hasiana leviora no hanendasana azy: voaloham-bokatra natokana ho Ahy TOMPO izany.


Hahevahevan’ny mpisorona eo anatrehako ireo zanakondrilahy roa ireo mbamin’ny mofo avy amin’ny voaloham-bokatra: dia zava-masina ho Ahy TOMPO izany ka ho anjaran’ny mpisorona.


Izao no zo ananan’ny mpisorona amin’ny vahoaka, izany hoe amin’ireo olona manolotra omby na ondry na osy hatao sorona: homena ho an’ny mpisorona ny sorok’ilay biby sy ny valanoranony ary ny vavoniny;


homenareo azy koa ny voaloham-bokatrareo na vary na divay na menaka; ary homenareo azy ny volon’ireo ondry aman’osy voalohany hetezanareo.


dia makà ampahan’ny voaloham-bokatra rehetra azonareo avy amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, ka ataovy an-tsobika izany. Dia mankanesa amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo mba hipetrahan’ny voninahiny;


novokisany mena-drononon’omby, sy rononon’ondry aman’osy izy, nofahanany henan-janakondry sy ondrilahy matavy aman’osilahy ary notolorany vary tsara indrindra sy ranom-boaloboka ho divay fisotro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra