Amin’izao dia voaozon’ny tany ianao, fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao nalatsaky ny tananao.
Nomery 16:32 - Baiboly Katolika Nanoka-bava ny tany, ka nitelina azy ireo, dia izy mbamin’ny fianakaviany ary ny ankohonan’i Kôre rehetra sy ny fananany rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo sy ny ankohonany mbamin’ny olona rehetra izay an’i Kora ary ny fananany rehetra. DIEM PROTESTANTA Nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo mbamin’ny fianakaviany ary koa nitelina an’i Kôra sy ny olony rehetra mbamin’ny fananany rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo mbamin’ny fianakaviany ary koa nitelina an’i Kôra sy ny olony rehetra mbamin’ny fananany rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin’ny olona rehetra izay an’i Kora ary ny fananany rehetra. Malagasy Bible eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin'ny olona rehetra izay an'i Kora ary ny fananany rehetra. La Bible en Malgache eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo sy ny ankohonany mbamin’ny olona rehetra izay an’i Kora ary ny fananany rehetra. |
Amin’izao dia voaozon’ny tany ianao, fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao nalatsaky ny tananao.
Fa nisokatra ny tany, ka nitelina an’i Datàna, sy nikatona nanarona ny antokon’i Abirôna.
Toy ny fanoritra sy fihevon’ny asa ny tany, no famafy ny taolantsika teo am-bavan’ny Seoly.
Fihirana. Salamon’ny zanak’i Kôre. Ho an’ny mpampianatra hira. Hiraina amin’ny feo mitaraina. Fihiranan’i Hemàna, Ezrahita .
Mitresaka mafy dia mafy ny tany; mipoaka mikotrokotroka ny tany; mihozongozona mafy ny tany;
Koa dia mitatra ny Seoly, ka manadanadana tsy anerany ny vavany; mivarina ao ny reharehan’i Siôna, mbamin’ny be sy ny maro aminy izay mihahohaho sy mifaly.
Samia maka ny fanembohana ianareo; ka asio zava-manitra, ary samia mitondra ny fanembohanareo ho eo anatrehan’i Iaveh, dia ho fanembohana 250 izany; ary ianao sy i Aarôna koa dia samy hitondra ny fanembohanareo.»
Fa raha manao zavatra tsy fandre kosa i Iaveh, raha ny tany no manoka-bava sy mitelina an’ireo mbamin’izay azy rehetra, ka midina velona any amin’ny fonenan’ny maty ireo, dia fantatrareo fa naniratsira an’i Iaveh ireo olona ireo.»
Raha vantany vao tapitra voalazany izany teny izany dia nivava teo ambanin’izy ireo ny tany.
Latsaka velona tany amin’ny fonenan’ny maty ny tenan’izy ireo mbamin’izay azy rehetra, dia nikatona taminy ny tany, ka fongotra teo amin’ny fiangonana izy.
ary nivava ny tany nitelina azy ireo mbamin’i Kôre, raha levona izany antokony izany, ka voadoron’ny afo ny lehilahy 250, ka tonga fananarana izy ireo.
«Maty tany an’efitra ny rainay; izy tsy mba anatin’ilay antokony, izay niray tetika hiodina amin’i Iaveh, dia ny antokon’i Kôre, fa maty noho ny fahotany izy, ary tsy mba nanan-janakalahy izy.
izay nataony tamin’i Datàna sy i Abirôna zanak’i Eliaba, zana-dRobena, fa nivava ny tany ka nitelina azy mbamin’ny fianakaviany sy ny lainy ary ny olona rehetra momba azy teo afovoan’i Israely rehetra.
Kanjo novonjen’ny tany kosa Ravehivavy, fa nivava ny tany, dia nitelina ny ony nalefan’ilay Dragona tamin’ny vavany.