fa horavanay ity fitoerana ity, satria lehibe ny fitarainana miakatra avy amin’ny mponina eto ho eo anatrehan’i Iaveh; ka nirahin’i Iaveh izahay handrava azy.»
Nomery 16:21 - Baiboly Katolika «Mialà eo afovoan’ity fiangonana ity ianareo, handringanako azy indray mihelina monja.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mihataha amin’ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin’ny indray mipy maso monja. DIEM PROTESTANTA –Mialà ianareo amin’ireo andian’olona ireo fa handringana azy indray mipi-maso Aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Mialà ianareo amin’ireo andian’olona ireo fa handringana azy indray mipi-maso Aho. Baiboly Protestanta Malagasy Mihataha amin’ity fiangonana ity hianareo handringanako azy amin’ny indray mipì-maso monja. Malagasy Bible Mihataha amin'ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin'ny indray mipi-maso monja. La Bible en Malgache Mihataha amin’ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin’ny indray mipy maso monja. |
fa horavanay ity fitoerana ity, satria lehibe ny fitarainana miakatra avy amin’ny mponina eto ho eo anatrehan’i Iaveh; ka nirahin’i Iaveh izahay handrava azy.»
Dia nivoaka i Lôta, ka nilaza tamin’ny vinantony, izay naka ny zanany vavy ho vadiny, nanao hoe: «Mitsangàna ianareo, mialà amin’ity fitoerana ity, fa horavan’i Iaveh ny tanàna.» Nataon’ireo vinantony ho manao vazivazy anefa izy.
Hia! indray mipy maso monja lahy, dia rava ireny! Levona terỳ! Matin-doza mahatsiravina ka tsy hita intsony!
Koa ankehitriny avelao Aho, aoka hirehetan’ny fahatezerako izy ireo, ka horinganiko; fa ianao kosa hataoko firenena lehibe.»
Nahoana no dia hahazoan’ny Ejiptianina hilaza hoe: Ny namoahany azy dia hampidi-doza aminy, mba hamono azy any an-tendrombohitra, ary mba handringana azy tsy ho eto ambonin’ny tany. Koa ialao re ny fahatezaranao mirehitra; aneneno re ny ratsy kasainao hafitsoka ny vahoakanao.
Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: Vahoaka mafy hatoka ianareo, ka raha miakatra Aho eo afovoanareo, na dia indray mipi-maso aza, dia holevoniko ianareo, koa apetraho amin’izao ny fihaingoanareo, dia ho fantatro izay hataoko.»
Dia nivoaka ny Anjelin’i Iaveh, ka namely olona 185.000 teo an-tobin’ny Asirianina, ary nony vao nifoha ny olona tamin’ny maraina dia indreo maty avokoa ireo.
Hasiako amin’ny pesta sy hofongorako izy, ary ianao, dia hataoko firenena lehibe sy mahery lavitra noho izy.»
Koa raha vonoinao toy ny singan’olona ity vahoaka ity, ny firenena izay nandre filazana momba Anao dia hanao hoe:
«Mialà ianareo eo afovoan’ity fiangonana ity, handringanako azy indray mihelina.» Dia niankohoka tamin’ny tany izy.
Ary nanambara sy namporisika azy tamin’ny teny maro hafa koa izy nanao hoe: «Vonjeo ny tenanareo mba ho afaka amin’ity taranaka ratsy ity.»
Noho izany, hoy ny Tompo, mialà aminy ianareo, ka misaraha; fa aza mikasika ny maloto;
Dia nandre feo iray hafa koa avy any an-danitra aho, nanao hoe: Mihataha aminy ianareo, ry vahoakako, mba tsy hiray heloka aminy, sy tsy hiombon-doza aminy,