Ry Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely razanay ô, tahirizo mandrakizay izany mba ho fomban’ny hevitra ao am-pon’ny vahoakanao, ary tano hitodika aminao ny fony.
Nomery 14:24 - Baiboly Katolika Fa i Kaleba mpanompoko kosa, izay nanana hevitra hafa, ary niraikitra tsy nivadika tamiko, dia hampidiriko any amin’ny tany efa nalehany, ary hanana izany ny taranany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny amin’i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy ka tanteraka tamin’ny fanarahana Ahy izy, dia hoentiko ho any amin’ny tany izay efa nalehany izy ary ny taranany no handova izany. DIEM PROTESTANTA Fa i Kaleba mpanompoko, izay nanam-panahy hafa ka tsy nisalasala nanaraka Ahy, dia hampidiriko any amin’ny tany efa nalehany; ary hahazo izany tany izany ny taranany, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa i Kaleba mpanompoko, izay nanam-panahy hafa ka tsy nisalasala nanaraka Ahy, dia hampidiriko any amin’ny tany efa nalehany; ary hahazo izany tany izany ny taranany, Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny amin’i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin’ny fanarahana Ahy izy, dia ho entiko ho any amin’ny tany izay nalehany izy, ary ny zanany handova izany. Malagasy Bible Fa ny amin'i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin'ny fanarahana Ahy izy, dia ho entiko ho any amin'ny tany izay nalehany izy, ary ny zanany handova izany. La Bible en Malgache Fa ny amin’i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy ka tanteraka tamin’ny fanarahana Ahy izy, dia hoentiko ho any amin’ny tany izay efa nalehany izy ary ny taranany no handova izany. |
Ry Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely razanay ô, tahirizo mandrakizay izany mba ho fomban’ny hevitra ao am-pon’ny vahoakanao, ary tano hitodika aminao ny fony.
Nahafaly ny vahoaka ny fanatiny an-tsitrapo, satria tamim-po mazava no nanaovany an’izany fanatitra izany ho an’i Iaveh. I Davida mpanjaka koa faly dia faly tamin’izany.
Miantso Anao amin’ny foko rehetra aho, valio aho, ry Iaveh, mba hitandremako ny lalànao.
Fa i Kaleba nampangina ny vahoaka ny amin’i Môizy: «Andeha isika, hoy izy, hiakatra haka ny tany fa mety ho lasantsika tokoa izy.»
dia tsy hisy hiditra amin’ny tany izay nianianako fa hamponenana anareo, afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, sy i Jôsoe zanak’i Nona.
Fa ireny efa nilazan’i Iaveh hoe: Ho faty any an’efitra; ka tsy nisy sisa intsony tamin’ireny, afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, sy i Jôsoe zanak’i Nona.
Nony tonga tany izy ka nahita ny fahasoavan’Andriamanitra, dia faly sy namporisika azy rehetra mba haharitra ao amin’ny Tompo amin-kerim-po.
aza manompo eo imaso fotsiny, toy ny mila sitraka amin’olombelona, fa toy ny mpanompon’i Kristy, manao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo tokoa;
afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, izy no hahita azy, ary izy sy ny zanany no hanomezako ny tany izay efa nodiaviny, satria nanaraka tsara an’i Iaveh izy.
Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo tokoa, toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olombelona,