Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 25:2 - Baiboly Katolika

2 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh ihany izy, saingy tsy tamin’ny fo lavorary.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy, nefa tsy dia tamin’ny fony manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Amatsià, kanefa tsy dia tamin-kafanampo tanteraka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Amatsià, kanefa tsy dia tamin-kafanampo tanteraka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah izy, nefa tsy dia tamin’ny fony rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tamin'ny fony rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy, nefa tsy dia tamin’ny fony manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 25:2
12 Rohy Ifampitohizana  

Ny fitoerana avo anefa tsy mbola foana, mbola notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo.


Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh i Jôasy tamin’ny andro rehetra niainan’i Jôiadà mpisorona.


Nony tonga avy nandresy ny Edômita i Amasiasa, dia nentiny ny andriamanitry ny taranak’i Seira, ka natsangany ho andriamaniny, niankohofany teo anatrehany, ary nanaterany zava-manitra.


Nony tafapetraka tsara tamin’ny fanjakany izy dia novonoiny ireo mpanompony namono ny mpanjaka rainy,


Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh araka izay rehetra nataon’i Amasiasa rainy izy.


fa ny fony tsy mba niorina taminy; izy ireo tsy nitandrina ny fanekeny.


Ary hoy ny Tompo: «Satria ity firenena ity manatona Ahy amin’ny vavany sy mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ny fony ampanalaviriny Ahy, ary ny fivavahana ataony amiko dia didy nianarany tamin’olombelona,


Mpihatsaravelatsihy ny fony; ka efa hivesatra ny valin’izany izy. Hanjera ny ôteliny izy, handrava ny tsangam-batony.


Tsy manana anjara amin’ity raharaha ity ianao na dia kely aza, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra.


fa olona miroa saina sy mivadibadika amin’izay alehany rehetra.


Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina.


Fa hoy i Iaveh tamin’i Samoela: «Aza ny tarehiny no jerenao, na ny haavon’ny tsanganany, fa efa natanilako io. Tsy mba izay hitan’ny olombelona no izy; ny olombelona mijery ny tarehy fa i Iaveh kosa mijery ny fo».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra