Ary i Jesbì-Benôba, ny iray amin’ny zana-dRafà - ny lefony dia lanjana 300 sikla varahina ary sabatra vaovao no voafehy teny aminy - dia efa namoaka teny hamono an’i Davida.
Nomery 13:28 - Baiboly Katolika Fa ny vahoaka monina any, mahery; ny tanàna, sady mimanda no lehibe; ny zanak’i Enàka aza, hitanay any koa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin’ny tany, ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary hitanay tany koa aza ireo taranaky ny Anakita. DIEM PROTESTANTA Saingy ny mponina ao aminy kosa dia mahery, ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe. Hitanay tao koa aza ny taranaky ny Hanakita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Saingy ny mponina ao aminy kosa dia mahery, ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe. Hitanay tao koa aza ny taranaky ny Hanakita. Baiboly Protestanta Malagasy Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin’ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay. Malagasy Bible Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin'ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay. La Bible en Malgache Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin’ny tany, ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary hitanay tany koa aza ireo taranaky ny Anakita. |
Ary i Jesbì-Benôba, ny iray amin’ny zana-dRafà - ny lefony dia lanjana 300 sikla varahina ary sabatra vaovao no voafehy teny aminy - dia efa namoaka teny hamono an’i Davida.
ary hitanay tany koa ny Rapeto zanak’i Enàka, taranaky ny Rapeto: mova tsy ny valala izahay teo imasony sy teo imasonay.»
Aiza no hiakarantsika? Fa efa nahaosa ny fontsika loatra ny nilazan’ny rahalahintsika hoe: Ny firenena ao, dia sady vaventy no lava noho isika, ny tanàna lehibe, ary avo manakatra ny lanitra ny mandany; ary ny taranaky ny Enakima aza efa hitanay tany.
vahoaka lehibe, maro isa sy lava toy ny Enakima. Naringan’i Iaveh ireny teo alohan’ny Amônita izay nandroaka azy sy nonina nisolo azy;
Tanàna mimanda daholo ireo tanàna rehetra ireo ka samy nisy manda avo sy vavahady hidiny avokoa; ary mbola tsy anisan’izany ny tanàna tsy mimanda be dia be.
ka tsy nisy Enakima intsony, teo amin’ny tanin’ny zanak’i Israely; fa tany Gazà sy Geta ary Azota no sisa nisy.
Koa omeo ahy io tendrombohitra voalazan’i Iaveh tamin’izany andro izany io; ny tenanao no nandre tamin’izany andro izany, fa ny Enakima no ao, mbamin’ny tanàna lehibe sy mimanda. Angamba homba ahy i Iaveh ka hahavatra mandroaka azy ireo aho, araka ny tenin’i Iaveh.»
Noroahin’i Kaleba hiala tao izy telo lahy, zanak’i Enaka, dia i Sesaia, i Ahimàna ary i Tolmaia taranak’i Enaka.
Nomena an’i Kaleba i Hebrôna araka ny voalazan’i Môizy, ka noroahiny hiala tao ny zanak’i Enàka telo lahy.