Nomery 13:16 - Baiboly Katolika Ireo no anaran’ny lehilahy nirahin’i Môizy hisafo ny tany. I Ozea, zanak’i Nona dia nomen’i Môizy anarana hoe Jôsoe. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo no anaran’ny lehilahy izay nirahin’i Mosesy hisafo ny tany. Ary i Hosea, zanak’i Nona, dia nataon’i Mosesy hoe Josoa. DIEM PROTESTANTA Ireo no anaran’ny lehilahy nalefan’i Mosesy hisafo ny tany Kanahàna. Nataon’i Mosesy hoe Josoa i Hôsea zanakalahin’i Nona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo no anaran’ny lehilahy nalefan’i Mosesy hisafo ny tany Kanahàna. Nataon’i Mosesy hoe Josoa i Hôsea zanakalahin’i Nona. Baiboly Protestanta Malagasy Ireo no anaran’ny lehilahy izay nirahin’i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak’i Nona, dia nataon’i Mosesy hoe Josoa. Malagasy Bible Ireo no anaran'ny lehilahy izay nirahin'i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak'i Nona, dia nataon'i Mosesy hoe Josoa. La Bible en Malgache Ireo no anaran’ny lehilahy izay nirahin’i Mosesy hisafo ny tany. Ary i Hosea, zanak’i Nona, dia nataon’i Mosesy hoe Josoa. |
«Mifantena lehilahy ianao dia handeha hiady amin’i Amaleka; izaho kosa rahampitso hijoro eo an-tampon’ny havoana, mitana ny tehin’Andriamanitra ao an-tanako.»
Tenin’i Iaveh, tonga tamin’i Osea, zanak’i Beeri, tamin’ny andron’i Oziasa sy i Joatama sy i Akaza ary i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely.
«Maniraha olona hisafo ny tany Kanaana, izay omeko ny zanak’i Israely. Lehilahy iray isam-pokom-pianakaviana no hirahinareo; aoka izy rehetra ho samy filohany amin’izy ireo avy.»
dia tsy hisy hiditra amin’ny tany izay nianianako fa hamponenana anareo, afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, sy i Jôsoe zanak’i Nona.
Nandriatra ny fitafiany i Jôsoe, zanak’i Nona, sy i Kaleba, zanak’i Jefôna, anisan’ireo nisafo ny tany,
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: Alao i Jôsoe zanak’i Nona, lehilahy itoeran’ny Fanahy ka ametraho tanana izy.
Io tranolay io, tamin’ny andron’i Jôsoe, dia noraisin’ny razantsika ka nentiny niditra tany amin’ny tanin’ireo firenena izay noroahin’Andriamanitra teo anoloan’izy ireo, ary naharitra hatramin’ny andron’i Davida.
Izany indrindra no lazainy ao amin’i Osea hoe: «Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho, sy ny tsy malala hoe malala, ary ny tsy namindram-po hoe namindram-po.
Tonga i Môizy ka nilaza ny teny rehetra amin’izany tononkira izany mba ho ren’ny vahoaka, ary nomba azy i Jôsoe zanak’i Nona.
Fa raha tahiny efa nomen’i Jôsoe izany fialan-tsasatra izany, dia tsy ho nilaza andro hafa intsony i Davida tatỳ aorian’izany;