Nomery 11:26 - Baiboly Katolika Nisy olona roa lahy, atao hoe Eldada ny anankiray, ary Medada ny anankiray, nijanona teo an-toby; ary tonga tao amin’izy ireo ny fanahy; anisan’ny voasoratra izy ireo nefa tsy nankany amin’ny trano lay, ary naminany teo an-toby izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran’ny iray, ary Medada no anaran’ny iray; nipetraka teo amin’izy ireo ny Fanahy; ary isan’izay voasoratra izy roa lahy nefa tsy mba nandeha nankeo amin’ny tranolay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy. DIEM PROTESTANTA Fa nisy olona anankiroa nijanona tao an-toby, i Eldada no anaran’ny iray ary i Medada kosa ny iray; anisan’ny loholona fitopolo lahy izy ireo, nefa tsy mba lasa nankany amin’ny Tranolay. Nahazo ny fanahy koa izy ireo ary dia naminany tao an-toby. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa nisy olona anankiroa nijanona tao an-toby, i Eldada no anaran’ny iray ary i Medada kosa ny iray; anisan’ny loholona fitopolo lahy izy ireo, nefa tsy mba lasa nankany amin’ny Tranolay. Nahazo ny fanahy koa izy ireo ary dia naminany tao an-toby. Baiboly Protestanta Malagasy Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran’ny anankiray, ary Medada no anaran’ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan’izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin’ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy. Malagasy Bible Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran'ny anankiray, ary Medada no anaran'ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan'izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin'ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy. La Bible en Malgache Ary nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran’ny iray, ary Medada no anaran’ny iray; nipetraka teo amin’izy ireo ny Fanahy; ary isan’izay voasoratra izy roa lahy nefa tsy mba nandeha nankeo amin’ny tranolay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy. |
Dia mbola nandefitra taona maro ihany Ianao; ny fanahinao, ny vavan’ny mpaminaninao no nentinao ho vavolombelona namely azy, fa tsy nihaino izy. Tamin’izay dia natolotrao ho eo an-tanan’ny vahoakan’ny tany izy.
Fa hoy i Môizy tamin’i Andriamanitra: «Inona moa aho no hankany amin’i Faraôna sy hitondra ny zanak’i Israely hivoaka avy any Ejipta?»
Raha efa izany, nanome didy an’i Baròka i Jeremia, nanao hoe: «Izaho ity, voasakana, ka tsy afa-mankany an-tranon’i Iaveh.
Dia nihazakazaka nilaza izany tamin’i Môizy ny zazalahy anankiray, nanao hoe: «Maminany atsy an-toby i Eldada sy i Medada.»
Ary nony natopiny ny masony, dia nahita an’i Israely nitoby isam-pokony izy, ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy,
Amin’izany dia nanontany an’i Iaveh indray ny olona hoe: «Moa mbola misy olona tonga eto va?» Hoy ny navalin’i Iaveh: «Indro izy miery eo amin’ny entana.»
Hilatsaka aminao ny Fanahin’i Iaveh dia hiara-maminany amin’ireo ianao, ka ho voaova ho olom-baovao.
Tsy niteny na inona na inona i Saola tamin’io andro io, fa nisy zavatra nahazo azy izay, hoy izy, ka tsy madio izy, eny tokoa tsy madio izy.