Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 11:22 - Baiboly Katolika

Ny omby aman’ondry va no hovonoina ho azy ireo, mba ho ampy ho azy sa ny hazan-drano rehetra any an-dranomasina no hangonina, mba ho ampy ho azy?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hamonoana ondry aman’osy sy omby hahavoky azy va, sa ny hazandrano rehetra ao amin’ny ranomasina no hangonina hahavoky azy?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa na dia ny ondry aman’osy ary ny ombiny rehetra aza no hovonoina ho azy ireo, dia tsy ho ampy azy izany. Na ny trondro rehetra any an-dranomasina aza no haratoina ho azy ireo, dia mbola tsy ho ampy azy koa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa na dia ny ondry aman’osy ary ny ombiny rehetra aza no hovonoina ho azy ireo, dia tsy ho ampy azy izany. Na ny trondro rehetra any an-dranomasina aza no haratoina ho azy ireo, dia mbola tsy ho ampy azy koa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Moa ondry aman-osy sy omby va no hovonoina ho azy hahavoky azy? sa ny hazandrano rehetra ao amin’ny ranomasina no hangonina ho azy hahavoky azy?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Moa ondry aman'osy sy omby va no hovonoina ho azy hahavoky azy? sa ny hazandrano rehetra ao amin'ny ranomasina no hangonina ho azy hahavoky azy?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hamonoana ondry aman’osy sy omby hahavoky azy va, sa ny hazandrano rehetra ao amin’ny ranomasina no hangonina hahavoky azy?

Jereo ny toko



Nomery 11:22
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly an’ity olon’Andriamanitra ilay manamboninahitra nitehenan’ny mpanjaka tamin’ny tanany, ka nanao hoe: «Aiza ka dia ho tanteraka izany; na dia hanao varavarankely amin’ny lanitra aza i Iaveh?» Dia hoy i Elisea: «Ho hitan’ny masonao izany, nefa tsy mba hihinananao.»


Aiza no hangalako hena homena an’izao vahoaka rehetra izao? Fa mitomany manodidina ahy izy, manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay.


Hoy i Môizy: «Ny vahoaka manodidina ahy, dia enina hetsy ny lehilahy mandeha tongotra, ka lazainao hoe: Homeko hena izy ireo, sady hihinana izany iray volana maninjitra.


Dia hoy ny navalin’i Iaveh an’i Môizy: «Fohy loatra va ny tanan’i Iaveh? Ho hitanao izao na ho tanteraka aminao na tsia izay voalazako.»


Fa hoy ny mpianany taminy: «Aiza no hahazahoanay mofo ampy hahavoky ireo vahoaka be ireo atỳ an’efitra?»


Fa izao no navaliny azy ireo: «Omeonareo hanina izy,» ka hoy ireo taminy: «Handeha hividy mofon-denie roan-jato va izahay ka homenay azy hohaniny?»


Dia hoy ny mpianany namaly Azy: «Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo atỳ an’efitra?»


Dia hoy i Zakaria tamin’ny Anjely: «Inona no hahafantarako izany fa izaho efa antitra, ary koa efa zokiolona ny vadiko?».


Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely: «Ahoana no hahatongavan’izany, fa tsy mahalala lahy aho?»


«Misy zazalahy anankiray manana mofo orja dimy sy hazandrano roa ao: fa ho ampy inona izany amin’ny olona maro be toy izao?»