Nomery 1:49 - Baiboly Katolika «Aza mba isaina ny fokon’i Levỳ, ary aza mba alaina isa miaraka amin’ny zanak’i Israely izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny fokon’ny levita ihany no aza isaina, aza mba alaina isa miaraka amin’ny Zanak’Israely izy ireo. DIEM PROTESTANTA «Aza isaina ny fokon’i Levỳ, ary aza anaovana fanisana miaraka amin’ny Israelita hafa izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Aza isaina ny fokon’i Levỳ, ary aza anaovana fanisana miaraka amin’ny Israelita hafa izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ny firenen’ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin’ny Zanak’Isiraely; Malagasy Bible Ny firenen'ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin'ny Zanak'Isiraely; La Bible en Malgache Ny fokon’ny levita* ihany no aza isaina, aza mba alaina isa miaraka amin’ny Zanak’Israely izy ireo. |
Tsy anisan’ny voaisa niaraka tamin’ny zanak’i Israely ny Levita, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra voaisa tamin’izy ireo dia 23.000. Fa tsy mba anatin’ny voaisa tamin’ny zanak’i Israely izy ireo, satria tsy mba nomena zaratany teo afovoan’ny zanak’i Israely.