Tsy nety anefa i rainy fa hoy izy: «Fantatro ihany anaka. Ho tonga firenena koa izy, ho tonga lehibe koa izy, kanefa ho lehibe noho izy ny zandriny, ary ho tonga firenena maro ny taranany.»
Nomery 1:33 - Baiboly Katolika dia nisy 40.500 no voasoratra ho isan’ny fokon’i Efraima. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Efraima dia dimanjato sy efatra alina. Baiboly Protestanta Malagasy izay voalamina avy tamin’ny firenen’i Efraima dia diman-jato amby efatra alina; Malagasy Bible izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Efraima dia diman-jato amby efatra alina; La Bible en Malgache izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Efraima dia dimanjato sy efatra alina. |
Tsy nety anefa i rainy fa hoy izy: «Fantatro ihany anaka. Ho tonga firenena koa izy, ho tonga lehibe koa izy, kanefa ho lehibe noho izy ny zandriny, ary ho tonga firenena maro ny taranany.»
Koa ankehitriny, ny zanakao roa lahy izay naterakao tatỳ Ejipta, talohan’ny nahatongavako aty aminao teto Ejipta, dia ho ahy; ho ahy, tahaka an-dRobena sy i Simeôna koa i Efraima sy i Manase,
Ny zanak’i Josefa: ny taranak’i Efraima, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,
Ny terak’i Manase, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,
Ireo no fokon’ny zanak’i Efraima, araka ny voaisa amin’izy ireo: 32.500. Dia izay no zanak’i Josefa araka ny fokony.
An’ny ombalahiny voalohan-teraka, azy ny dera, tandrok’ombimanga no tandrony; amin’io no hanotoany ny vahoaka rehetra hatrany amin’ny fara vazantany. Toy izany ny alinalin’i Efraima, Toy izany ny arivoarivon’i Manase».