Nanana anaka indray koa izy, dia tera-dahy ka nanao hoe: «Ankehitriny hidera an’i Iaveh aho. Izany no nanaovany ny anaran’io hoe Jodà.» Dia nitsaha-jaza izy.
Nomery 1:26 - Baiboly Katolika Ny terak’i Jodà, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny taranak’i Joda, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika, Baiboly Protestanta Malagasy Ary tamin’ny taranak’i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,– Malagasy Bible Ary tamin'ny taranak'i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, La Bible en Malgache Tamin’ny taranak’i Joda, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika, |
Nanana anaka indray koa izy, dia tera-dahy ka nanao hoe: «Ankehitriny hidera an’i Iaveh aho. Izany no nanaovany ny anaran’io hoe Jodà.» Dia nitsaha-jaza izy.
Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, i Selà, i Faresa ary i Zarà; fa i Hera sy i Onàna maty teny Kanaana. Ny zanak’i Faresa dia i Hesrôna sy i Hamola.
Ary natolotr’i Jôaba ny mpanjaka ny boky nisy ny isam-bahoaka, ka nisy 800.000, ny lehilahy mpiantafika, mahatan-tsabatra, tamin’i Israely, ary 500.000 ny lehilahy tamin’i Jodà.
Fa nahery tamin’ny rahalahiny i Jodà ary izy no niavian’ny filoha anankiray, nefa an’i Josefa ihany ny fizokiana.
i Abrahama niteraka an’i Isaaka; i Isaaka niteraka an’i Jakôba; i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy;