Baiboly an-tserasera

dokam-barotra

Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao

Nomery 1:20 - Baiboly Katolika

Ny tera-dRobena lahimatoan’i Israely, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, no nisainy araka ny anarany isam-batan’olona, ny lehilahy rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dimanjato sy enina arivo sy efatra alina ny avy tamin’ny taranak’i Robena, lahimatoan’Israely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra izay azo alefa hanafika,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny isam-pokon’i Israely no nanaovam-panisana araka ny tarika sy ny fianakaviany avy, ka nanoratana ny anaran’ny lehilahy rehetra feno roapolo taona no ho miakatra ka mahatam-piadiana. Natomboka tamin’ny fokon’i Reobena lahimatoan’i Jakôba izany. Toy izao manaraka izao ny isa azo: Ny fokon’i Reobena: 46 500 Ny fokon’i Simehôna: 59 300 Ny fokon’i Gada: 45 650 Ny fokon’i Joda: 74 600 Ny fokon’i Jisakara: 54 400 Ny fokon’i Zebolòna: 57 400 Ny fokon’i Efraîma zanakalahin’i Jôsefa: 40 500 Ny fokon’i Manase zanakalahin’i Jôsefa: 32 200 Ny fokon’i Benjamîna: 35 400 Ny fokon’i Dana: 62 700 Ny fokon’i Asera: 41 500 Ny fokon’i Naftalỳ: 53 400

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tamin’ny taranak’i Robena, lahimatoan’Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,–

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tamin'ny taranak'i Robena, lahimatoan'Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dimanjato sy enina arivo sy efatra alina ny avy tamin’ny taranak’i Robena, lahimatoan’Israely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra izay azo alefa hanafika,

Jereo ny toko

Nomery 1:20
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanana anaka i Lià, ka tera-dahy, nomeny anarana hoe Robena, fa hoy izy: «Nitsinjo ny fahoriako i Iaveh ka ho tian’ny vadiko aho ankehitriny.»

Zanak’i Lià: Robena, lahimatoan’i Jakôba, Simeôna, Levi, Jodà, Isakara ary Zabolôna.

Robena, lahimatoan’i Jakôba. Zanak-dRobena: i Henoka, i Falo, i Hersona ary i Karmì.

Zanaka lahin-dRobena lahy matoan’i Israely. Fa izy no lahy matoa, saingy noho izy nandoto ny farafaran-drainy, dia nomena ny zanak’i Josefa zanak’i Israely, ny fizokiany; tsy dia nosoratana ho zokiny amin’ny tetiaram-pirazanana anefa i Josefa.

dia nisy 46.500 no voasoratra ho isan’ny fokon-dRobena.