Nehemia 9:6 - Baiboly Katolika Fa Ianao irery, dia Ianao ry Iaveh, no nanao ny lanitra, ny lanitry ny lanitra, mbamin’ny tafika rehetra eo aminy, ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy, ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra eo aminy. Ianao no manome aina an’izany rehetra izany; ary mitsaoka Anao ny tafiky ny lanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ianao dia Ianao irery ihany no TOMPO; Ianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin’ny kintany rehetra, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Ianao no mamelona azy rehetra; ary ireo marobe any an-danitra dia samy miankohoka eo anatrehanao. DIEM PROTESTANTA Ianao irery ihany no TOMPO; Ianao no nanao ny habakabaka midadasika mbamin’ny kintana rehetra ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Ianao no mamelona ny voaary rehetra, ka iankohofan’ny tafiky ny lanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ianao irery ihany no TOMPO; Ianao no nanao ny habakabaka midadasika mbamin’ny kintana rehetra ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Ianao no mamelona ny voaary rehetra, ka iankohofan’ny tafiky ny lanitra. Baiboly Protestanta Malagasy Hianao dia Hianao irery ihany no Jehovah; Hianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin’izay rehetra any aminy, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any an-danitra samy miankohoka eo anatrehanao. Malagasy Bible Hianao dia Hianao irery ihany no Jehovah; Hianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin'izay rehetra any aminy, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any an-danitra samy miankohoka eo anatrehanao. La Bible en Malgache Ianao dia Ianao irery ihany no TOMPO; Ianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin’ny kintany rehetra, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Ianao no mamelona azy rehetra; ary ireo marobe any an-danitra dia samy miankohoka eo anatrehanao. |
Hoy Andriamanitra: «Aoka hiangona amin’ny fitoerana iray ny rano eo ambanin’ny lanitra, ka aoka hiseho ny maina.» Dia tanteraka izany.
Ka hoy izy nahita ireo: «Tobin’Andriamanitra ity;» dia nataony hoe Mahanaîma ny anaran’izany fitoerana izany.
Dia hoy i Mikea; «Henoy àry ny tenin’i Iaveh: Efa hitako nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany, ary ny tafiky ny lanitra rehetra nitsangana teo akaikiny teo ankavanany sy teo ankaviany.
Fa moa dia marina va fa monina eto an-tany Andriamanitra? Indro, ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
Nivavaka teo anatrehan’i Iaveh i Ezekiasa nanao hoe: «Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, izay mipetraka amin’ny Kerobima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
Koa ankehitriny, Iaveh Andriamanitra ô, vonjeo amin’ny tanan’i Senakeriba izahay, mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany fa Ianao irery, ry Iaveh ô, no Andriamanitra.»
Ary hoy ny Levita, Jôsoe, Kedmiela, Banỳ, Hasebniasa, Sarebiasa, Odaiasa, Sebniasa, Fatatiasa: «Mitsangàna ianareo ka misaora an’i Iaveh Andriamanitrareo, mandrakizay mandrakizay! «Hisaorana anie ny Anaranao be voninahitra, izay mihoatra noho ny fisaorana amam-piderana rehetra!
Hoy aho: «Ry Andriamanitro, aza alainao aho eo antenantenan’ny androko, Ianao izay aharetan’ny taonanao, amin’ny taona mifandimby.»
Misaora an’i Iaveh ianareo rehetra tafiny, izay mpanompony sy manatanteraka ny sitrapony!
I Iaveh nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy; maharitra amin’ny tsy fivadihany Izy.
Iza moa izany Mpanjakan’ny voninahitra izany? I Iavehn’ny tafika, Izy no Mpanjakan’ny voninahitra! - Selà
Ny tenin’i Iaveh no nanaovana ny lanitra; ary ny fofon’ain’ny vavany no nanaovana ny tafiny rehetra.
Ry Iaveh ô, mipaka amin’ny lanitra ny hatsaram-ponao, mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.
«Ry Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely ô, izay mipetraka amin’ny Kerobima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, Ianao no namorona ny lanitra sy ny tany.
Ankehitriny, Iaveh Andriamanitray ô, vonjeo amin’ny tanan’i Senakeriba izahay; ary aoka ho fantatry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, fa Ianao irery no Iaveh.»
Ianareo no vavolombeloko, - teny marin’i Iaveh sady mpanompoko, izay nofidiko; mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ary hahazoanareo an-tsaina, fa Izaho no izy. Tsy misy Andriamanitra voaforona talohako; ary tsy hisy koa any aoriako.
Izao no lazain’i Iaveh, mpanjakan’i Israely sy mpanavotra azy, dia i Iavehn’ny tafika: «Izaho no voalohany, ary Izaho no farany, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Aza taitra na matahotra foana ianareo! Tsy efa nampahalala anao, hatry ny ela va Aho, sy efa nilaza izany taminao? - Ianareo no vavolombeloko!- Moa misy Andriamanitra afa-tsy izaho va? Tsy misy Vatolampy hafa; tsy mahita izany aho.»
Izaho no nanao ny tany, sy nahary ny olona eo amboniny; izaho no namelatra ny lanitra tamin’ny tanako, izaho no mandidy ny tafika rehetra aminy.
«Eny iky, ry Iaveh Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany, tamin’ny hery lehibe sy ny sandrinao nahinjitra, tsy misy zavatra tsy hainao atao.
Nomeko azy ny didiko, nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay ahaveloman’ny olona manaraka azy.
Ka izao no navaliny azy ireo: «Hebrio aho, ary i Iaveh, Andriamanitry ny lanitra, izay nanao ny tany aman-dranomasina, no ivavahako».
Vao nandre izany kosa ireto havana iray finoana, dia niara-nivavaka tamin’Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô! Ianao no nahary ny lanitra sy ny tany, ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra eo aminy.
Jereo fa an’i Iaveh Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra, ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy.
Jereo amin’izao fa Izaho, dia Izaho ihany no izy, ary tsy misy andriamanitra miolotra amiko; Izaho no mahafaty sy mahavelona; Izaho no naharàtra, ary Izaho koa no hahasitrana. Ary tsy misy olona mahafaka amin’ny tanako.
Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.
Ary rehefa mampiditra ny Lahimatoa atỳ ambonin’ny tany indray izy, dia manao hoe: Aoka hitsaoka azy ny Anjelin’Andriamanitra rehetra.
Izao no nambarany tamin’ny feo mahery: «Matahora an’Andriamanitra; omeo voninahitra Izy, fa tonga ny andro fitsarany. Mitsaoha an’Ilay nahary ny lanitra sy ny tany, mbamin’ny ranomasina sy ny loharano.»
«Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray no mendrika handray ny haja amam-boninahitra ary fahefana, fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao ihany no nisiany sy naha-àry azy.»