Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 3:21 - Baiboly Katolika

Nanarakaraka azy dia i Merimota zanak’i Oria zanak’i Akôsa no nanamboatra ny ilany anankiray hatreo amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba, ka hatrarỳ amin’ny faran’ny tranon’i Eliasiba.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Teo anilan’io koa dia nisy namboarin’i Meremota, zanak’i Oria, zanak’i Hakoza, hatreo amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba ka hatrany amin’ny faran’ny tranon’i Eliasiba.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ary teo ankilan’io i Meremôta, zanakalahin’i Orià sy zafin’i Hakôtsa, dia namboatra laniny hafa manomboka eo amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba ka tafapaka amin’ny faran’ny tranon’i Eliasiba.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ary teo ankilan’io i Meremôta, zanakalahin’i Orià sy zafin’i Hakôtsa, dia namboatra laniny hafa manomboka eo amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba ka tafapaka amin’ny faran’ny tranon’i Eliasiba.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Manarakaraka io koa dia nisy namboarin’i Meremota, zanak’i Oria, zanak’i Hakoza, hatramin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba ka hatramin’ny faran’ny tranon’i Eliasiba.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Manarakaraka io koa dia nisy namboarin'i Meremota, zanak'i Oria, zanak'i Hakoza, hatramin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba ka hatramin'ny faran'ny tranon'i Eliasiba.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Teo anilan’io koa dia nisy namboarin’i Meremota, zanak’i Oria, zanak’i Hakoza, hatreo amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba ka hatrany amin’ny faran’ny tranon’i Eliasiba.

Jereo ny toko



Nehemia 3:21
8 Rohy Ifampitohizana  

I Kaosa niteraka an’i Anoba sy i Sôbobà, ary ny fokon’i Aharehela, zanaka lahin’i Aroma.


Ary ny tamin’ny taranaky ny Mpisorona: dia ny taranak’i Hôbià, ny taranak’i Akôsa, ny taranak’i Berzelaì, izay naka vady tamin’ny zanaka vavin’i Berzelaì, Galaadita, ka dia nantsoina amin’ny anarany.


Tamin’ny andro fahefatra dia nolanjaina tao an-tranon’ny Andriamanitray ny volafotsy sy ny volamena mbamin’ny fanaka, ho eo an-tanan’i Merimota zanak’i Oria, mpisorona; teo aminy koa i Eleazara zanak’i Finea; ary teo amin’izy ireo koa, i Jôzabada zanak’i Josoe, sy i Nôadiasa zanak’i Benoì.


I Eliasiba mpisorona lehibe, mbamin’ireo mpisorona rahalahiny dia nanomboka nanorina ny vavahadin’ny Ondry, nanamasina azy izy, dia nandatsaka ny lela-vavahady; namboariny ny manda dia nohamasininy hatramin’ny tilikambon’i Meà, ka hatramin’ny tilikambon’i Hananeela.


Nanarakaraka azy dia i Baròka zanak’i Zakaì, no nanamboatra tamin-kavitrihana ny ilany anankiray, hatreo amin’ny zoro ka hatreo amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba, mpisorona lehibe.


Ny nanarakaraka azy dia ireo mpisorona, lehilahin’ny tany lemak’i Jordany.


ary teo anilany dia i Merimota zanak’i Oria zanak’i Akôsa, no nanamboatra; ary teo anilany dia i Mosolama zanak’i Barakia zanak’i Mesezebela, no nanamboatra; ary teo anilany dia i Sadôka zanak’i Baanà no nanamboatra;


Ary ny tamin’ny mpisorona dia ny taranak’i Hôbià, ny taranak’i Akôsa, ny taranak’i Berzelai, izay naka ho vady ny anankiray tamin’ny zanaka vavin’i Berzelai, Galaadita, ka dia nantsoina amin’ny anarany.