Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 12:37 - Baiboly Katolika

Ny antoko-mpihira faharoa kosa, nandeha tamin’ny ilany iray, ka izaho sy ny antsasaky ny vahoaka no teo aorian’io, teny ambony manda. Avy eo amin’ny tilikambon’ny fatana fandoroana, dia nandroso hatreo amin’ny manda malalaka,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nizotra hatreo amin’ny vavahadin-doharano izy ka niakatra tamin’ny tohatra nihazo ny Tanànan’i Davida, teo amin’ny fiakarana amin’ny manda eo ambonin’ny tranon’i Davida ka hatreo amin’ny vavahadin-drano eo atsinanana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nony tonga teo amin’ny Vavahadin’ny Loharano ry zareo, dia niatrika ny ambaratongan’ny Tanànan’i Davida; teo amin’ny manda ihany no niakatra izany izy ka nanjary lasa ambonin’ny tranon’i Davida, ary tafapaka hatreny amin’ny Vavahadin-drano eo atsinanana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nony tonga teo amin’ny Vavahadin’ny Loharano ry zareo, dia niatrika ny ambaratongan’ny Tanànan’i Davida; teo amin’ny manda ihany no niakatra izany izy ka nanjary lasa ambonin’ny tranon’i Davida, ary tafapaka hatreny amin’ny Vavahadin-drano eo atsinanana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hatreo amin’ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin’ny ambaratongan’ny Tanànan’i Davida, tamin’ny fiakarana amin’ny mànda eo ambonin’ny tranon’i Davida ka hatramin’ny vavahadin-drano eo atsinanana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hatreo amin'ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin'ny ambaratongan'ny Tanànan'i Davida, tamin'ny fiakarana amin'ny manda eo ambonin'ny tranon'i Davida ka hatramin'ny vavahadin-drano eo atsinanana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nizotra hatreo amin’ny vavahadin-doharano izy ka niakatra tamin’ny tohatra nihazo ny Tanànan’i Davida, teo amin’ny fiakarana amin’ny manda eo ambonin’ny tranon’i Davida ka hatreo amin’ny vavahadin-drano eo atsinanana.

Jereo ny toko



Nehemia 12:37
7 Rohy Ifampitohizana  

Notohiziko ny diako mankany amin’ny vavahadin’ny Loharano, sy ny Farihin’ny Mpanjaka, nefa tsy nisy fitoerana azon’ilay biby notaingenako naleha, raha mbola taingenako izy.


Ary ny Natineanina dia nonina teo amin’ny Ofela, hatreo an-tandrifin’ny vavahadin’ny Rano, any atsinanana, sy ny tilikambo mandroso.


Nony tonga ny volana fahafito, ka efa tafapetraka amin’ny tanànany avy ny zanak’i Israely, dia nivory toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra, teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’ny Rano. Ary efa nilazan’izy ireo i Esdrasa mpanora-dalàna, mba hitondra ny bokin’ny lalàn’i Môizy, izay nandidian’i Iaveh an’i Israely.


Dia nandeha nankany ny olona, ka nitondra, ary samy nanao tranolay avy izy ireo teny ambony tafon-tranony, teny an-tokotaniny, teny amin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitra, teo amin’ny kianjan’ny vavahadin’i Efraima.


Novakiny teo anatrehan’ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’izay efa manan-tsaina hahafantatra azy ny boky, teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’ny Rano, hatramin’ny maraina ka mandra-pisasaky ny andro, ary nampandry sofina nihaino ny bokin’ny lalàna avokoa ny vahoaka.