Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 12:24 - Baiboly Katolika

Lohan’ny Levita: i Hasebiasa, i Serebiasa, ary i Jôsoe, zanak’i Kedmiela, niandraikitra niaraka tamin’ireo rahalahiny nifanandrify aminy, ny fankalazana sy ny fiderana an’Andriamanitra; araka ny nandaharan’i Davida olon’Andriamanitra an’izany: nanao antokony roa mifamaly.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny lehiben’ny levita dia i Hasabia sy i Serebia ary i Josoa zanak’i Kadmiela, mbamin’ny rahalahin’ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra isan-tokony; araka ny didin’i Davida, lehilahin’Andriamanitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny lohandohan’ny levita, izany hoe i Hasabià sy i Serebià ary i Jesoa mbamin’ny Binoy sy i Kadmiela, dia nifanatrika tamin’ireo levita namany mba hidera sy hisaotra an’Andriamanitra, rehefa tonga ny anjara fanompoany. Ny fandaharana nataon’i Davida olon’Andriamanitra no narahiny tamin’izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny lohandohan’ny levita, izany hoe i Hasabià sy i Serebià ary i Jesoa mbamin’ny Binoy sy i Kadmiela, dia nifanatrika tamin’ireo levita namany mba hidera sy hisaotra an’Andriamanitra, rehefa tonga ny anjara fanompoany. Ny fandaharana nataon’i Davida olon’Andriamanitra no narahiny tamin’izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny lohan’ny Levita dia Hasabia sy Serebia sy Jesoa, zanak’i Kadmiela, mbamin’ny rahalahin’ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra araka ny didin’i Davida, lehilahin’Andriamanitra, nifanandrify isan-tokony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny lohan'ny Levita dia Hasabia sy Serebia sy Jesoa, zanak'i Kadmiela, mbamin'ny rahalahin'ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra araka ny didin'i Davida, lehilahin'Andriamanitra, nifanandrify isan-tokony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny lehiben’ny levita dia i Hasabia sy i Serebia ary i Josoa zanak’i Kadmiela, mbamin’ny rahalahin’ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra isan-tokony; araka ny didin’i Davida, lehilahin’Andriamanitra.

Jereo ny toko



Nehemia 12:24
18 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy ravehivavy tamin’i Elia: «Fantatro amin’izao fa olon’Andriamanitra tokoa ianao, ka marina ny tenin’i Iaveh ao am-bavanao.»


Nisy Levita sasany notendren’i Davida hitoetra eo anatrehan’ny fiaran’i Iaveh mba hanao ny fanompoana amin’ny fangatahana, fankalazana sy fiderana an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely;


Notendreny, araka ny nandaharan’i Davida rainy azy, ny antokon’ny mpisorona ho amin’ny fanompoany, sy ny Levita ho amin’ny anjara raharahany, hankalaza an’i Iaveh sy hanao fanompoana eo anoloan’ny mpisorona, araka ny fandaharana ny andro isany, ary ny mpiandry varavarana ho an’ny isam-baravarana araka ny antokony avy, fa toy izany no nandaharan’i Davida, olon’Andriamanitra, azy.


Levita: 74 ny taranak’i Josoe sy i Kedmiela, avy amin’ny taranak’i Odoiasa.


i Mataniasa zanak’i Mikà zanak’i Zebedey zanak’i Asafa, ilay lehibe mpiventy ny hira fiderana amin’ny fivavahana; i Bekbekiasa ilay nanarakaraka teo amin’ireo rahalahiny, sy i Abdà zanak’i Samoà zanak’i Galala zanak’i Isditòna.


Voasoratra ao amin’ny boky tantara, ny tantaran’i Levì, loham-pianakaviana, hatramin’ny andron’i Johanàna, zanak’i Eliasiba.


Tao amin’ny vavahadin’ny Loharano izy ireo, dia niakatra ny ambaratongan’ny tanànan’i Davida, teo an-tandrifiny, nihazo ny fiakarana amin’ny manda, eo ambonin’ny manda, eo ambonin’ny tranon’i Davida hatreo amin’ny vavahadin’ny Rano, eo atsinanana.


Ary nampianatra ny vahoaka ny lalàna, i Josoe, i Banì, i Sarabiasa, i Jamina, i Akoba, i Septaì, i Odiasa, i Maasiasa, i Kelità, i Azariasa, i Jozabeda, i Hanàna, i Falaisa, mbamin’ny Levita; ka samy nijanona teo amin’ny fitoerany ny olona.


Niakatra teo amin’ny lampihazon’ny Levita i Jôsoe, i Banỳ, i Kedmiela, i Sabaniasa, i Bonỳ, i Sarebiasa, i Banỳ, sy i Kananì, ka nitaraina tamin’ny feo avo tamin’i Iaveh Andriamaniny.


Izao no tso-drano nataon’i Môizy, olon’Andriamanitra, tamin’ny zanak’i Israely, talohan’ny nahafatesany.


Koa aoka àry ianao, ry olon’Andriamanitra, handositra izany zavatra izany, fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.


mba hahalavorary ny olon’Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin’ny asa soa rehetra.


Nanatona an’i Jôsoe ny taranak’i Jodà tany Galgalà, ary i Kaleba zanak’i Jefone, Kenezeanina, nanao taminy hoe: «Fantatrao izay nolazain’i Iaveh tamin’i Môizy olon’Andriamanitra ny amiko sy ny aminao tany Kadesa-Barne.