Nifindra avy eo izy ho any amin’ny tendrombohitra ao atsinanan’i Betela, dia niorin-day izy, ka i Betela teo andrefany ary i Hay teo atsinanany. Ary nanorina ôtely ho an’i Iaveh izy teo, ka niantso ny anaran’i Iaveh.
Nehemia 11:31 - Baiboly Katolika Ny avy amin’ny taranak’i Benjamina kosa dia nonina hatrany Gebà ka hatrany Makmasa, sy Haì ary Betela, mbamin’ny vohitra momba azy; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny taranak’i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy, Aia, Betela ary ny vohitra miankina aminy, DIEM PROTESTANTA Ny sasany tamin’ny taranak’i Benjamîna kosa dia nonina tamin’ireto tanàna ireto: i Geba, i Mikmasy, i Haià, i Betela sy ireo tanàna kely miankina aminy, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny sasany tamin’ny taranak’i Benjamîna kosa dia nonina tamin’ireto tanàna ireto: i Geba, i Mikmasy, i Haià, i Betela sy ireo tanàna kely miankina aminy, Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny taranak’i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny, Malagasy Bible Ary ny taranak'i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny, La Bible en Malgache Ny taranak’i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy, Aia, Betela ary ny vohitra miankina aminy, |
Nifindra avy eo izy ho any amin’ny tendrombohitra ao atsinanan’i Betela, dia niorin-day izy, ka i Betela teo andrefany ary i Hay teo atsinanany. Ary nanorina ôtely ho an’i Iaveh izy teo, ka niantso ny anaran’i Iaveh.
Nataony hoe Betela no anaran’io fitoerana io. Loza anefa no anaran’ny tanàna tany aloha.
i Zanôla, i Odolama, mbamin’ny zana-bohitr’ireo; i Lakisa mbamin’ny tany momba azy, i Azekà mbamin’ny vohitra momba azy. Hatrany Bersabea ka hatrany amin’ny lohasahan’i Enôma no nonenany.
sy Bety-Galgalà, ary ny faritanin’i Gebà sy i Azmaveta; fa nanao vohitra ho azy teny amin’ny manodidina an’i Jerosalema ny mpihira.
Avy eo ny faritra dia nahazo an’i Lozy amin’ny kisolosolon’i Lozy any atsimo, dia i Betela izany; dia nidina indray ny faritry ny tany mankany Atarôt-Adara, nihazo tamin’ny tendrombohitra ao atsimon’i Betôrôna ambany.
Ary ny tanànan’ny fokon’ny taranak’i Benjamina araka ny fianakaviany dia: i Jerikô, i Bety-Heglà, i Eneka-Kaisy, i Bety-Arabà, i Samaraïma,
Dia nalefan’i Jôsoe izy ireo ka lasa naka toerana hiotrika tao anelanelan’i Betela sy i Haia, tao andrefan’i Haia. Ary i Jôsoe kosa nitoetra teo amin’ny vahoaka ihany tamin’iny alina iny.
Ary hoy i Samoela: «Fa inona ity nataonao?» Dia hoy i Saola: «Nony hitako fa nihahaka lavitra ahy ny vahoaka, ianao tsy tonga tamin’ny fotoana voafetra ary ny Filistinina efa tafavory tany Makmasy
Telo arivo lahy no nofantenan’i Saola tamin’i Israely homba azy; ny roa arivo nitoetra tao aminy tao Makmasy sy tany amin’ny tendrombohitr’i Betela ary ny arivo teo amin’i Jônatasy tany Gabaàn’i Benjamina, fa ny vahoaka sisa, samy nampodiny ho any an-dainy avy.