Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 10:28 - Baiboly Katolika

28 Iny izy tonga ao Ajata, efa mamaky an’i Magrôna, mametraka ny entany ao Makmasy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Injao, tonga any Aiata izy, mamakivaky an’i Migrona ary mametraka ny entany ao Mikmasy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

28 tonga ao akaikin’i Haiata, dia mandalo ao Migrôna ary mametraka ny entany ao Mikmasy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 tonga ao akaikin’i Haiata, dia mandalo ao Migrôna ary mametraka ny entany ao Mikmasy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Injao! tonga any Aiata izy, Mamaky an’i Migrona izy Ary mametraka ny entany ao Mikmasy,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Injao! tonga any Aiata izy, mamaky an'i Migrona izy ary mametraka ny entany ao Mikmasy,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

28 Injao, tonga any Aiata izy, mamakivaky an’i Migrona ary mametraka ny entany ao Mikmasy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 10:28
12 Rohy Ifampitohizana  

Ny avy amin’ny taranak’i Benjamina kosa dia nonina hatrany Gebà ka hatrany Makmasa, sy Haì ary Betela, mbamin’ny vohitra momba azy;


ho tafatsofoka amin’i Jodà izy, ho tondraka sy hanafotra, hisondrotra mandra-pahatongavany havozona, ary ny fivelaran’ny elany handrakotra ny tampon’ny taninao rehetra, ry Emanoela ô!»


Fa fery mahafaty ny azy, fa tonga hatrany amin’i Jodà, tonga hatreo am-bavahadin’ny vahoakako dia hatrany Jerosalema. izy.


Naniraka olona i Jôsoe niala tao Jerikô ho any Haia, ka nanao tamin’ireo hoe: «Miakara hisafo ny tany.» Dia niakatra ireo olona ireo, ka nisafo an’i Haia.


Dia niainga izy ireo, ka lasa; nataony teo aloha ny zaza sy ny biby fiompy mbamin’ny entana sarobidy rehetra.


Telo arivo lahy no nofantenan’i Saola tamin’i Israely homba azy; ny roa arivo nitoetra tao aminy tao Makmasy sy tany amin’ny tendrombohitr’i Betela ary ny arivo teo amin’i Jônatasy tany Gabaàn’i Benjamina, fa ny vahoaka sisa, samy nampodiny ho any an-dainy avy.


Ny andian’ny miaramilan’ny Filistinina anankiray nankao amin’ny hadilalan’i Makmasy.


Dia nivory hiady amin’i Israely ny Filistinina: telo alina ny kalesiny, enina arivo ny olona an-tsoavaly, ary ny vahoaka tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina. Tonga nitoby teo Makmasy atsinanan’i Bety Avena izy.


I Saola nitoetra teo an-tsisin’i Gabaà, ambanin’ny ampongabendanitra any Magrôna, ary sahabo ho enin-jato lahy ny vahoaka teo aminy.


Namely ny Filistinina hatrany Makmasy ka hatrany Hajalôna izy ireo tamin’izany andro izany, ka reraka indrindra ny vahoaka,


Ny iray tamin’ireo haram-bato ireo nijoro teo avaratra, tandrifin’i Makmasy; ny iray kosa teo atsimo, tandrifin’i Gabea.


Navelan’i Davida teo amin’ny mpiambina entana ny entany teny aminy, dia nihazakazaka nankeny amin’ny miaramila izy. Avy hatrany dia nanontany ny rahalahiny ny toe-pahasalamany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra