Ary ny ranareo dia hasaiko hampamoaka noho ny ainareo, hampamoahiko izany avokoa ny biby rehetra; ny tanan’olombelona izay mpirahalahy, no hampamoahiko ny ain’ny olombelona.
Mpitsara 9:56 - Baiboly Katolika Izany no nampianjeran’Andriamanitra tamin’i Abimeleka ny ratsy nataony tamin-drainy, tamin’ny namonoany ny rahalahiny fitopolo lahy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izany no namalian’Andriamanitra ny ratsy nataon’i Abimeleka, izay nataony tamin’ny rainy, tamin’ny namonoany ny rahalahiny fitopolo lahy. DIEM PROTESTANTA Toy izany no namalian’Andriamanitra an’i Abimelèka noho ny ratsy nataony tamin’ny rainy fony izy namono nahafaty ireo rahalahiny fitopolo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Toy izany no namalian’Andriamanitra an’i Abimelèka noho ny ratsy nataony tamin’ny rainy fony izy namono nahafaty ireo rahalahiny fitopolo. Baiboly Protestanta Malagasy Izany no namalian’Andriamanitra ny ratsy nataon’i Abimeleka, izay efa nataony tamin’ny rainy tamin’ny namonoany ny rahalahiny fito-polo lahy. Malagasy Bible Izany no namalian'Andriamanitra ny ratsy nataon'i Abimeleka, izay efa nataony tamin'ny rainy tamin'ny namonoany ny rahalahiny fito-polo lahy. La Bible en Malgache Izany no namalian’Andriamanitra ny ratsy nataon’i Abimeleka, izay nataony tamin’ny rainy, tamin’ny namonoany ny rahalahiny fitopolo lahy. |
Ary ny ranareo dia hasaiko hampamoaka noho ny ainareo, hampamoahiko izany avokoa ny biby rehetra; ny tanan’olombelona izay mpirahalahy, no hampamoahiko ny ain’ny olombelona.
Ka na zovy na zovy handatsaka ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany, satria nataon’Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona.
Tsy anjaran’ny ratsy fanahy va ny loza? Ary tsy ho an’ny mpanao ny tsy marina ny fahoriana?
Latsahany fandrika afo sy solifara hoatra ny ranonorana ny ratsy fanahy; rivo-mahery no ho anjara kapoakan’ireny.
Mankalazà an’i Iaveh izay mitoetra any Siôna, ambarao amin’ny firenena ny asa lehibe nataony.
Hataony mifotitra amin’ireny ny helony; ary ny haratsiany ihany, no handringanany azy ireny: haringan’i Iaveh Andriamanitra izy!
Ny ratsy fanahy mihitsoka amin’ny ratsy nataony, ny famatoran’ny fahotany ihany no maningotra azy;
fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.
Nony nahita ity bibilava niraviravy tamin’ny tanany ry zareo tompon-tany, dia nifampilaza hoe: «Tena mpamono olona mihitsy io lehilahy io, fa na afaka tamin’ny ranomasina aza, tsy avelan’ny fahamarinan’Andriamanitra ho velona intsony.»
mba hivaly ny heloka natao tamin’ny zanak’i Jerobaala fitopolo lahy, ka samy hianjeran’ny rany i Abimeleka rahalahiny, izay namono azy, sy ny mponina tao Sikema izay nanampy an’io hamono ny rahalahiny.
Nony hitan’ny lehilahy amin’i Israely fa maty i Abimeleka, dia samy nody ho any an-tranony avy izy.
ary nampianjeran’Andriamanitra tamin’ny lohan’ny mponina tao Sikema, ny haratsiany rehetra. Izany no niharan’ny ozona nataon’i Joatama zanak’i Jerobaala tamin’izy ireo.