Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 9:56 - DIEM PROTESTANTA

56 Toy izany no namalian’Andriamanitra an’i Abimelèka noho ny ratsy nataony tamin’ny rainy fony izy namono nahafaty ireo rahalahiny fitopolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

56 Izany no namalian’Andriamanitra ny ratsy nataon’i Abimeleka, izay nataony tamin’ny rainy, tamin’ny namonoany ny rahalahiny fitopolo lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

56 Toy izany no namalian’Andriamanitra an’i Abimelèka noho ny ratsy nataony tamin’ny rainy fony izy namono nahafaty ireo rahalahiny fitopolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

56 Izany no nampianjeran’Andriamanitra tamin’i Abimeleka ny ratsy nataony tamin-drainy, tamin’ny namonoany ny rahalahiny fitopolo lahy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

56 Izany no namalian’Andriamanitra ny ratsy nataon’i Abimeleka, izay efa nataony tamin’ny rainy tamin’ny namonoany ny rahalahiny fito-polo lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

56 Izany no namalian'Andriamanitra ny ratsy nataon'i Abimeleka, izay efa nataony tamin'ny rainy tamin'ny namonoany ny rahalahiny fito-polo lahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 9:56
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny ranareo koa, izay ainareo, dia hadiniko amin’ny biby izay namono olona ho faty tahaka ny hanadinako ny olona namono ho faty ny olona toa azy. Eny, hadiniko ny momba ny ain’ny olona:


Izay mandatsaka ran’olona dia halatsak’olona koa ny rany, satria mitovy endrika amin’Andriamanitra no nanaovany ny olona.


Tsy loza va no anjaran’ny ratsy fanahy, ary fahoriana ho an’ny mpanao heloka?


Aoka ho vainafo sy solifara no halatsany toa ranonorana eo an-dohan’ireo olon-dratsy! Dia tafio-drivotra mahamay no anjara homeny azy ireo.


Ankalazao amin’ny zava-maneno ny TOMPO Izay monina ao Tsiôna, ary ambarao amin’ireo firenena ny zava-mahatalanjona nataony;


Hatsingeriny amin’ireo ihany ny heloka nataony ary ny faharatsiany ihany no handringanany azy; eny, ny TOMPO Andriamanitsika no handringana azy.


Ny heloky ny olon-dratsy dia mamandri-tena, ka ny fahotany ihany no maningotra azy.


fa araka izay fomba hitsaranareo olona ihany no hitsaran’Andriamanitra anareo koa, ary araka izay fomba hamaranareo ho an’ny olona ihany no hamaran’Andriamanitra ho anareo koa.


Nony hitan’ny tompontany kosa ny bibilava niraviravy teny amin’ny tanan’i Paoly, dia nifampiresaka ry zareo hoe: –Tena mpamono olona raha io lehilahy io; anarany foana no voavonjy tamin’ny ranomasina izy, saingy tsy navelan’ny fitsaran’Andriamanitra ho velona.


Aza mety hofitahina ianareo. Tsy azo vazivazîna Andriamanitra, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy:


Izany no ho valin’ny herisetra nataon’i Abimelèka tamin’ny fitopolo lahy zanak’i Jerobahala sy ho todin’ny ran’ny rahalahiny izay novonoiny, sady hamaliana ireo mponin’i Sekema izay niara-nitsikombakomba taminy.


Ary rehefa hitan’ny vatan-dehilahy israelita fa maty i Abimelèka, dia samy nody any amin’ny fonenany avy izy.


Novalian’Andriamanitra toy izany koa ny mponin’i Sekema ka natsingeriny teo an-dohany ny ratsy rehetra nataony, ary tanteraka taminy ireo ozona nambaran’i Jôtama, zanakalahin’i Jerobahala.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra