Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 9:25 - Baiboly Katolika

Nisy olona napetraky ny mponina tao Sikema, tany antampony tendrombohitra, nataony otrika hamely azy, ka izay rehetra nandalo azy ireo, tamin’ny lalana, nobaboiny avokoa, ary nolazaina tamin’i Abimeleka izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nametrahan’ny mponina tao Sekema vela-pandrika tany an-tampon-tendrombohitra izy dia nobaboin’ny vela-pandrika izay rehetra nandalo tamin’izany lalana izany. Nambara tamin’i Abimeleka izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mba hamelezana an’i Abimelèka, dia nisy mpisakan-dalana napetraky ny Sekemita teo an-tampon-kavoana akaikin’ny tanàna ka izay rehetra nandalo tamin’izany lalana izany, dia norobainy avokoa. Koa nampandrenesina izany i Abimelèka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mba hamelezana an’i Abimelèka, dia nisy mpisakan-dalana napetraky ny Sekemita teo an-tampon-kavoana akaikin’ny tanàna ka izay rehetra nandalo tamin’izany lalana izany, dia norobainy avokoa. Koa nampandrenesina izany i Abimelèka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nanaovan’ny mponina tao Sekema otrika tany an-tampon-tendrombohitra izy, dia nobaboin’ny otrika izay rehetra nandalo tamin’izany làlana izany; ary nolazaina tamin’i Abimeleka izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nanaovan'ny mponina tao Sekema otrika tany an-tampon-tendrombohitra izy, dia nobaboin'ny otrika izay rehetra nandalo tamin'izany lalana izany; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nametrahan’ny mponina tao Sekema vela-pandrika tany an-tampon-tendrombohitra izy dia nobaboin’ny vela-pandrika izay rehetra nandalo tamin’izany lalana izany. Nambara tamin’i Abimeleka izany.

Jereo ny toko



Mpitsara 9:25
6 Rohy Ifampitohizana  

Manao otrika eo akaikin’ny tanàna izy; mamono ny tsy manan-tsiny ao amin’ny fitoerany an-katakonana. Mitsikilo ny olona tsy manan-kiaro ny masony;


ka izao no baiko nomeny azy: «Mahìna ianareo, dia aoka hanotrika ao ivohon’ny tanàna ianareo, ka aza manalavitra ny tanàna loatra ary samia mivonona hatrany.


mba hivaly ny heloka natao tamin’ny zanak’i Jerobaala fitopolo lahy, ka samy hianjeran’ny rany i Abimeleka rahalahiny, izay namono azy, sy ny mponina tao Sikema izay nanampy an’io hamono ny rahalahiny.


Ary tonga niaraka tamin’ny rahalahiny i Gaala, zanak’i Obeda, ka nankany Sikema izy. Natoky azy ny mponina tao Sikema,