Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 9:17 - Baiboly Katolika

fa niady ho anareo ny raiko, nanao vy very ny ainy ka nanafaka anareo tamin’ny tanan’i Madiàna izy;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

fa ny raiko anie no niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka nanafaka anareo tamin’ny tanan’ny Midianita,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa niady ho anareo ny raiko ka nanao vy very ny ainy mba hanafaka anareo tamin’ny Midianita;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa niady ho anareo ny raiko ka nanao vy very ny ainy mba hanafaka anareo tamin’ny Midianita;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

(fa ny raiko niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namonjy anareo tamin’ny tànan’ny Midiana;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

(fa ny raiko niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Midiana;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

fa ny raiko anie no niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka nanafaka anareo tamin’ny tanan’ny Midianita,

Jereo ny toko



Mpitsara 9:17
10 Rohy Ifampitohizana  

nanao vy very hamonjy ny aiko izy mivady ireo, ka tsy izaho irery no misaotra azy, fa ny Eglizy rehetra any amin’ny Jentily koa,


Fa izao kosa no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika: fony mbola mpanota isika


Nandresy azy ireo koa ny namantsîka noho ny Ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nambarany ary ny tsy fitandroany ny ainy, na dia ho faty aza Izy.


Nony hitako fa tsy tonga hamonjy ahy ianareo, dia nanao vy very ny aiko aho, ka nandeha niady tamin’ny taranak’i Amôna, ary natolotr’i Iaveh teo an-tanako ireny. Ka nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hiady amiko?»


Koa ankehitriny raha marina sy mahitsy no nataonareo, tamin’ny nampanjakanareo an’i Abimeleka; raha soa no nataonareo tamin’i Jerobaala sy ny ankohonany, ary raha araka ny soa vitan’ny tanany no nataonareo taminy,


kanjo nitsangan-kamely ny ankohonan’i dada kosa ianareo androany; ny zanany fitopolo lahy novonoinareo teo ambony vato iray ihany, ary i Abimeleka zanak’andevovaviny no natsanganareo ho mpanjakan’ny mponina ao Sikema, satria rahalahinareo io.


nanao vy very ny ainy, namono an’ilay Filistinina izy, ka izy no nanaovan’i Iaveh famonjena lehibe ho an’i Israely rehetra. Nahita izany ianao sy nifaly tamin’izany. Ka ahoana no hataonao amin’ny ra tsy mana-tsiny, amin’ny famonoana, tsy misy antony, an’i Davida?»