Mpitsara 8:34 - Baiboly Katolika Tsy notsarovan’ny zanak’i Israely intsony i Iaveh Andriamanitr’izy ireo, izay nanafaka azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra nanodidina azy; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny Zanak’Israely dia tsy nahatsiaro NY TOMPO Andriamaniny izay nanafaka azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra nanodidina azy DIEM PROTESTANTA Hadinony ny TOMPO Andriamaniny Izay nanafaka azy tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hadinony ny TOMPO Andriamaniny Izay nanafaka azy tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny Zanak’Isiraely tsy nahatsiaro an’i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin’ny tànan’ny fahavalony rehetra nanodidina, Malagasy Bible Ary ny Zanak'Isiraely tsy nahatsiaro an'i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra nanodidina, La Bible en Malgache Ary ny Zanak’Israely dia tsy nahatsiaro NY TOMPO Andriamaniny izay nanafaka azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra nanodidina azy |
Tsarovy ny Mpahary anao, amin’ny andron’ny fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro ratsy ary tsy mbola akaiky ny taona hanaovanao hoe: - Tsy sitrako izao.
Manadino ny firavany va ny zazavavy, sy manadino ny fehinkibony ny fofom-bady? Ny vahoakako kosa anefa nanadino Ahy, hatramin’ny andro efa tsy hita isa!
moa ampoiziny va ny tsy hahatadidiavan’ny vahoakako Ahy, noho ny nofy ifampilazan’izy samy izy avy, toy ny nanadinoan’ny razany ny Anarako, nosoloiny an’i Baala?
Hovaliako izy noho ny andron’ireo Baala, izay nanolorany emboka, tamin’ny andro niravahany masombola sy fehivozona, sy nanarahany ny lehilahiny; fa Izaho kosa nohadinoiny, - teny marin’i Iaveh. -
Kanefa mitandrema tena ianao, ary tandremo tsara ny fanahinao, fandrao manadino ny zavatra hitan’ny masonao, na mamela azy hiala amin’ny fonao, na dia indray andro amin’ny fiainanao aza, fa ampianaro ny zanakao aman-jafinao izany.
Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh ny zanak’i Israely: I Iaveh nohadinoiny, fa i Baala sy ny Askerôta no notompoiny,