Ianao dia handeha ho any amin’ny razanao amim-piadanana; ho tratra antitra tsara ianao vao halevina.
Mpitsara 8:32 - Baiboly Katolika Tratra antitra tsara i Jedeôna, zanak’i Jôasy, vao maty; ary tao amin’ny fasan’i Jôasy rainy izy no nalevina, tao Efràn’i Abiesera. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia maty i Gideona, zanak’i Joasy, rehefa tratra antitra tsara, ka nalevina tao amin’ny fasan’i Joasy rainy tao Ofran’ny Abiezerita. DIEM PROTESTANTA Ary maty i Gidehôna rehefa tratra antitra tsara ka nalevina tao Hofrà, tanànan’ny tarika abihezerita, tao amin’ny fasan’i Jôasy rainy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary maty i Gidehôna rehefa tratra antitra tsara ka nalevina tao Hofrà, tanànan’ny tarika abihezerita, tao amin’ny fasan’i Jôasy rainy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia maty Gideona, zanak’i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin’ny fasan’i Joasy rainy tao Ofran’ny Abiezrita izy. Malagasy Bible Dia maty Gideona. zanak'i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin'ny fasan'i Joasy rainy tao Ofran'ny Abiezrita izy. La Bible en Malgache Dia maty i Gideona, zanak’i Joasy, rehefa tratra antitra tsara, ka nalevina tao amin’ny fasan’i Joasy rainy tao Ofran’ny Abiezerita. |
Ianao dia handeha ho any amin’ny razanao amim-piadanana; ho tratra antitra tsara ianao vao halevina.
ka efa tratra antitra tsara, ary efa ela sy lava andro niainana i Abrahama vao niala aina, ka maty, dia nakambana tamin’ny razany.
Dia nentin’izy ireo i Asaela ka naleviny tao amin’ny fasan-drainy izay ao Betlehema. Ary nandeha nandritra ny alina manontolo i Jôaba sy ny olony, ka vao nazava ratsy ny andro dia tonga tany Hebrôna izy.
Efa tratra antitra tsara ianao vao hiditra any am-pasana, toy ny amboaram-bary akarina amin’ny fotoany.
Nanorina ôtely teo i Jedeôna ho an’i Iaveh ka nantsoiny hoe: Iaveh-Saloma; mbola ao Efràn’i Abiesera izany mandraka androany.
Nanaovan’i Jedeôna efôda izany volamena izany, dia napetrany ao an-tanànany ao Efrà, ka nankany avokoa i Israely rehetra nitolo-tena teo amin’izany Efôda izany, ary tonga fandrika ho an’i Jedeôna sy ny ankohonany izany.
Niteraka zazalahy taminy ny vadintsindranony tany Sikema, ka natao hoe Abimeleka ny anarany.
Nony maty i Jedeôna dia nitolo-tena tamin’ireo Baala indray ny zanak’i Israely; ka i Baala-Berita no nataony andriamaniny.