Dia natolotr’izy ireo an’i Jakôba ny andriamani-kafa rehetra teo an-tanany, sy ny kavina teny an-tsofiny, ka nalevin’i Jakôba teo am-pototry ny terebinta izay ao Sikema.
Mpitsara 8:25 - Baiboly Katolika Ka hoy ny olona: «Omenay an-tsitrapo raha izany». Sady namelatra lamba izy ireo ka samy nanipy ny peratra azony tamin’ny babo avy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy izy ireo: Eny, homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona ka samy nanipy kavina izay avy tamin’ny babony teo. DIEM PROTESTANTA Ka hoy ny navalin’ny Israelita an’i Gidehôna: –Eny, fa homenay anao tokoa izany. Dia namelatra lamba iray tamin’ny tany ireo ka samy nanipy haba volamena iray teo, dia haba nalain’ny isan’olona tamin’ny babony avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka hoy ny navalin’ny Israelita an’i Gidehôna: –Eny, fa homenay anao tokoa izany. Dia namelatra lamba iray tamin’ny tany ireo ka samy nanipy haba volamena iray teo, dia haba nalain’ny isan’olona tamin’ny babony avy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin’ny babony teo. Malagasy Bible Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin'ny babony teo. La Bible en Malgache Dia hoy izy ireo: Eny, homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona ka samy nanipy kavina izay avy tamin’ny babony teo. |
Dia natolotr’izy ireo an’i Jakôba ny andriamani-kafa rehetra teo an-tanany, sy ny kavina teny an-tsofiny, ka nalevin’i Jakôba teo am-pototry ny terebinta izay ao Sikema.
Misy zavatra iray angatahiko aminareo: Samia ianareo manome ahy ny peratra azonareo tamin’ny babony avy». Fa nanam-peratra volamena ny fahavalo, satria Ismaelita izy ireny.
Ary nisy fiton-jato amby arivo sikla ny lanjan’ny pera-bolamena nangatahin’i Jedeôna, afa-tsy ny sarim-bolan-tsinana aman-kavina sy ny fitafiana jaky nentin’ny mpanjakan’i Madiàna, mbamin’ny fehivozona teny amin’ny vozon-dramevany.