Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 35:4 - Baiboly Katolika

4 Dia natolotr’izy ireo an’i Jakôba ny andriamani-kafa rehetra teo an-tanany, sy ny kavina teny an-tsofiny, ka nalevin’i Jakôba teo am-pototry ny terebinta izay ao Sikema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Dia natolony an’i Jakoba ireo andriamanitra hafa rehetra izay notanany sy ny kavina izay teny an-tsofiny ka nalevin’i Jakoba teo am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin’i Sekema.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Dia natolony an’i Jakôba ireo andriamani-kafa rehetra tany am-pelatanany mbamin’ireo kavina teny an-tsofiny, ka nalevin’i Jakôba teo am-pototr’ilay hazo midoroboka tao akaikin’i Sekema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Dia natolony an’i Jakôba ireo andriamani-kafa rehetra tany am-pelatanany mbamin’ireo kavina teny an-tsofiny, ka nalevin’i Jakôba teo am-pototr’ilay hazo midoroboka tao akaikin’i Sekema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Dia natolony teo amin’i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notanany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin’i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin’i Sekema ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Dia natolony teo amin'i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin'i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin'i Sekema ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Dia natolony an’i Jakoba ireo andriamanitra hafa rehetra izay notanany sy ny kavina izay teny an-tsofiny ka nalevin’i Jakoba teo am-pototry ny hazo terebinta* izay tao akaikin’i Sekema.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 35:4
13 Rohy Ifampitohizana  

Dia namaky ny tany i Abrama, hatrany amin’ny fitoerana atao hoe Sikema, hatrany amin’ny terebintan’i Môre.


Fa hiainga isika hiakatra ho any Betela. Hanangana ôtely any aho, ho an’ilay Andriamanitra izay nihaino ahy tamin’ny andron’ny fahoriako, sy nomba ahy tamin’ny lalana nalehako.»


Dia lasa izy ireo; ary azon’ny tahotra mafy avy amin’Andriamanitra ny tanàna, eny amin’ny manodidina eny, ka tsy nisy nanenjika ny zanak’i Jakôba.


Ary nalainy ilay zanak’omby nataon’izy ireo, nodorany tamin’ny afo, notorotoroiny hanjary vovony, ary nafafiny tao anaty rano ny vovony, ka nampisotroiny ny zanak’i Israely.


Amin’izany andro izany, dia harian’ny olona ny sampiny volafotsy sy volamena, izay nataony hivavahany, ho an’ny voalavo sy ny ramanavy;


Hataonareo zava-maloto, ny volafotsy mipetraka amin’ny sampinareo; mbamin’ny volamena mipetraka amin’ny sariolonareo: ka harianareo hoatra ny zava-maloto: «Mialà eto», hoy ianareo aminy.


Hatsahatro avokoa ny fifaliany rehetra; ny fetiny, ny voaloham-bolany, ny sabatany, ary ny fetiny lehibe rehetra.


Dory amin’ny afo ny sarin’ny andriamaniny voasikotra; aza mitsiriritra izay volafotsy na volamena eny aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho fandrika ho anao izany, fa fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao izany.


Fa izao no ataovy amin’izy ireo: ravao ny ôteliny, montsàny ny tsangam-batony, kapao ny aserîmany, ary doroy amin’ny afo ny sarin-javatra voasokiny;


Tamin’izay dia nivory ny mponina rehetra ao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao rehetra, ka tonga izy ary nampanjaka an’i Abimeleka, teo anilan’ny terebintan’ny tsangam-bato any Sikema.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra