Mpitsara 8:23 - Baiboly Katolika Hoy i Jedeôna taminy: «Tsy hanjaka aminareo aho, na ny zanako, fa i Iaveh ihany no hanjaka aminareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy i Gideona taminy: Tsy hanapaka aminareo aho, ary tsy hanapaka aminareo koa ny zanako; NY TOMPO ihany no hanapaka aminareo. DIEM PROTESTANTA Fa novalian’i Gidehôna hoe: –Tsia, tsy ho mpanjakanareo na ny tenako na ny zanakalahiko, fa ny TOMPO no ho mpanjakanareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa novalian’i Gidehôna hoe: –Tsia, tsy ho mpanjakanareo na ny tenako na ny zanakalahiko, fa ny TOMPO no ho mpanjakanareo. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo. Malagasy Bible Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo. La Bible en Malgache Fa hoy i Gideona taminy: Tsy hanapaka aminareo aho, ary tsy hanapaka aminareo koa ny zanako; NY TOMPO ihany no hanapaka aminareo. |
Hifaly amin’ny Mpahary azy anie i Israely, hientan-karavoana amin’ny Mpanjakany anie ny zanak’i Siôna!
Satria i Iaveh no mpitsara antsika, i Iaveh no mpanao lalàna ho antsika, i Iaveh no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
Izahay hatry ny ela, no efa hoatra ny olona tsy tapahinao akory, sy tsy iantsoana intsony ny Anaranao. Inay Ianao mandriatra ny lanitra, dia midina, - dia hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra!
tsy dia hoe hanao jadona amin’ny finoanareo izahay (sanatria), fa miara-miasa hampandroso ny hafalianareo; raha ny finoana, dia efa miorina tsara ianareo.
Dia nifampilaza ny vahoaka, ny lehiben’i Galaada, nanao hoe: «Iza no lehilahy hanomboka ady voalohany amin’ny taranak’i Amôna? Dia izy no ho filohan’ny mponina rehetra amin’i Galaada».
Nony nanangana mpitsara ho azy ireo i Iaveh, dia nomban’i Iaveh izany mpitsara izany ka namonjy azy ireo tamin’ny tanan’ny fahavalony, tamin’ny andro rehetra niainan’ny mpitsara; satria nalahelo i Iaveh noho ny fitarainany teo anoloan’ireo nampahory sy nampijaly azy.
Dia hoy ny lehilahy amin’i Israely tamin’i Jedeôna: «Aoka hanjaka aminay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, satria ianao no nanafaka anay tamin’ny tanan’i Madiàna».
Fa ianareo kosa izao manary ny Andriamanitrareo, izay nanafaka anareo tamin’ny loza amam-pijalianareo rehetra, ary milaza aminy hoe: Manangàna mpanjaka aminay! Koa ankehitriny misehoa ianareo isam-poko sy isam-pianakaviana, eo anatrehan’i Iaveh.»
Ary nony nahita an’i Naasy mpanjakan’ny taranak’i Amôna tamy hiady aminareo anefa ianareo, dia nanao tamiko hoe: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay! Kanefa i Iaveh no mpanjakanareo fahizay.