Baiboly an-tserasera

dokam-barotra

Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao

Mpitsara 7:25 - Baiboly Katolika

Dia nosamborin’izy ireo ny andriana roa lahy tamin’i Madiàna, Oreba sy Zeba, ary novonoiny i Oreba tao amin’ny vaton’i Oreba, ary i Zeba novonoiny tao amin’ny famiazam-boalobok’i Zeba. Nanenjika an’i Madiàna izy, sy nitondra ny lohan’i Oreba sy i Zeba tany amin’i Jedeôna any an-dafin’i Jordany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nosamborin’izy ireo ny andriana midianita roa lahy, dia i Oreba sy i Zeba ka i Oreba dia novonoiny teo ambonin’ny vatolampin’i Oreba ary i Zeba dia novonoiny teo amin’ny famiazam-boalobok’i Zeba. Nenjehin’ireo ny Midianita ary ny lohan’i Oreba sy i Zeba dia noentiny tany amin’i Gideona tany andafin’i Jordana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nosamboriny ireo lehibe midianita roa lahy, dia i Hôreba sy i Zeeba, ka i Hôreba novonoiny tao amin’ny vatolampin’i Hôreba ary i Zeeba kosa novonoiny tao amin’ny famiazam-boalobok’i Zeeba. Avy eo dia mbola nanenjika ny Midianita ihany izy. Ary ny lohan’i Hôreba sy i Zeeba dia avy teny atsinanan’i Jôrdàna no nentiny tany amin’i Gidehôna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin’ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin’ny vatolampin’i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin’ny famiazam-boalobok’i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan’i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin’i Gideona tany an-dafin’i Jordana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin'ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin'ny vatolampin'i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan'i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin'i Gideona tany an-dafin'i Jordana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nosamborin’izy ireo ny andriana midianita roa lahy, dia i Oreba sy i Zeba ka i Oreba dia novonoiny teo ambonin’ny vatolampin’i Oreba ary i Zeba dia novonoiny teo amin’ny famiazam-boalobok’i Zeba. Nenjehin’ireo ny Midianita ary ny lohan’i Oreba sy i Zeba dia noentiny tany amin’i Gideona tany andafin’i Jordana.

Jereo ny toko

Mpitsara 7:25
7 Rohy Ifampitohizana  

Ataovy tahaka an’i Madiàna ireo, tahaka an’i Sisarà, mbamin’i Jabìna teo amin’ny ranon’i Sisôna.

Hanainga kotopia hamelezana azy i Iavehn’ny tafika, toy ny namelezany an’i Madiàna, teo amin’ny vatolampin’i Oreba, ary toy ny tehiny teny ambony ranomasina; ary hoaingany izany toy ny taloha tany Ejipta.

Ny kapan’ny mpiady rehetra tamin’ny fikatrohana mbamin’ny kapaoty nihosin-dra rehetra, dia atao anatin’ny afo: ka levon’ny afo.

Hitako latsaka am-pahoriana, ny lain’i Kosàna, ary mihorohoro ny lay amin’ny tanin’i Moaba.

ary nanangana antontam-bato lehibe teo ambonin’i Akàna ny olona, ka mbola maharitra ao mandraka androany izany. Dia nitony i Iaveh tamin’ny firehetan’ny fahatezerany. Noho izany zava-nitranga izany no iantsoana io toerana io mandraka androany hoe Lohasaha Akora.