Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 7:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Nosamboriny ireo lehibe midianita roa lahy, dia i Hôreba sy i Zeeba, ka i Hôreba novonoiny tao amin’ny vatolampin’i Hôreba ary i Zeeba kosa novonoiny tao amin’ny famiazam-boalobok’i Zeeba. Avy eo dia mbola nanenjika ny Midianita ihany izy. Ary ny lohan’i Hôreba sy i Zeeba dia avy teny atsinanan’i Jôrdàna no nentiny tany amin’i Gidehôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Nosamborin’izy ireo ny andriana midianita roa lahy, dia i Oreba sy i Zeba ka i Oreba dia novonoiny teo ambonin’ny vatolampin’i Oreba ary i Zeba dia novonoiny teo amin’ny famiazam-boalobok’i Zeba. Nenjehin’ireo ny Midianita ary ny lohan’i Oreba sy i Zeba dia noentiny tany amin’i Gideona tany andafin’i Jordana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Nosamboriny ireo lehibe midianita roa lahy, dia i Hôreba sy i Zeeba, ka i Hôreba novonoiny tao amin’ny vatolampin’i Hôreba ary i Zeeba kosa novonoiny tao amin’ny famiazam-boalobok’i Zeeba. Avy eo dia mbola nanenjika ny Midianita ihany izy. Ary ny lohan’i Hôreba sy i Zeeba dia avy teny atsinanan’i Jôrdàna no nentiny tany amin’i Gidehôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Dia nosamborin’izy ireo ny andriana roa lahy tamin’i Madiàna, Oreba sy Zeba, ary novonoiny i Oreba tao amin’ny vaton’i Oreba, ary i Zeba novonoiny tao amin’ny famiazam-boalobok’i Zeba. Nanenjika an’i Madiàna izy, sy nitondra ny lohan’i Oreba sy i Zeba tany amin’i Jedeôna any an-dafin’i Jordany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin’ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin’ny vatolampin’i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin’ny famiazam-boalobok’i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan’i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin’i Gideona tany an-dafin’i Jordana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin'ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin'ny vatolampin'i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan'i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin'i Gideona tany an-dafin'i Jordana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Nosamborin’izy ireo ny andriana midianita roa lahy, dia i Oreba sy i Zeba ka i Oreba dia novonoiny teo ambonin’ny vatolampin’i Oreba ary i Zeba dia novonoiny teo amin’ny famiazam-boalobok’i Zeba. Nenjehin’ireo ny Midianita ary ny lohan’i Oreba sy i Zeba dia noentiny tany amin’i Gideona tany andafin’i Jordana.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 7:25
7 Rohy Ifampitohizana  

Andriamanitra ô, ataovy tahaka an’i Siserà ireo, ataovy tahaka an’i Siserà sy i Jabîna teo amin’ny renirano Kisôna, na ataovy tahaka ny Midianita


Harangarangan’ny TOMPOn’izao rehetra izao manko ny karavasy hikapohany an’i Asiria tahaka izay nataony tamin’ny famelezana ny Midianita teo amin’ny harambaton’i Hôreba; ary hatsotrany eny ambony ranomasina ny tehiny, toy izay nataony tany Ejipta.


Fa ny kiraro rehetra entim-pahavalo ka mikatrokatroka mampihozongozon-tany ary ny fitafiana rehetra voahorona mihosin-dra dia samy hodorana avokoa ho levon’ny afo.


Hitako ny fahorian’ireo vahoakan’i Kosàna sy ny horohoron’ireo mponin’i Midiàna.


Avy eo dia nananganany antontam-bato lehibe teo ambonin’i Hakàna, ary mbola eo mandraka androany ilay antontam-bato. Izany no niantsoana io toerana io hoe lohasaha Hakôra mandraka ankehitriny. Taorian’izany vao nitony ny hatezeran’ny Tompo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra