hosory ho mpanjakan’i Israely i Jehoa, zanak’i Namsì, ary hosory ho mpaminany handimby anao i Elisea, zanak’i Safata, avy any Abela Mehôlà.
Mpitsara 7:22 - Baiboly Katolika Izy telon-jato lahy moa nitsoka ny trômpetra; I Iaveh kosa nampifamely sabatra ny Madianita sy ny tao an-toby rehetra. Nandositra ny toby hatrany Bety-Seta mankany Sarera ka hatrany amin’ny sisin-tanin’i Abela-Mehôla akaikin’i Tebata. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nitsoka anjomara ny telonjato lahy ary nampifamelezin’NY TOMPO tamin’ny sabatra ny miaramila rehetra manerana ny toby, dia nandositra hatrany Bety-Sita izy ka hatrany Zereraha sy hatrany amin’ny sisin’i Abela-Mehola akaiky an’i Tabata. DIEM PROTESTANTA Ary raha nitsoka trompetra ireo telonjato lahy, dia nampifamonoan’ny TOMPO tamin’ny sabatra ny samy Midianita eran’ny toby manontolo. Ary izay sisa tsy maty dia nandositra hatrany Bety-Sità, an-dalana ho any Tseredà, sy hatrany an-tsisin’i Abela-Mehôlà, akaikin’i Tabata. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary raha nitsoka trompetra ireo telonjato lahy, dia nampifamonoan’ny TOMPO tamin’ny sabatra ny samy Midianita eran’ny toby manontolo. Ary izay sisa tsy maty dia nandositra hatrany Bety-Sità, an-dalana ho any Tseredà, sy hatrany an-tsisin’i Abela-Mehôlà, akaikin’i Tabata. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin’i Jehovah tamin’ny sabatra ny miaramila eran’ny toby rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka hatrany Zereraha sy hatramin’ny fari-tanin’i Abela-mehola akaiky an’i Tabata. Malagasy Bible Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin'i Jehovah tamin'ny sabatra ny miaramila eran'ny toby rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka hatrany Zereraha sy hatramin'ny fari-tanin'i Abela-mehola akaiky an'i Tabata. La Bible en Malgache Dia nitsoka anjomara ny telonjato lahy ary nampifamelezin’NY TOMPO tamin’ny sabatra ny miaramila rehetra manerana ny toby, dia nandositra hatrany Bety-Sita izy ka hatrany Zereraha sy hatrany amin’ny sisin’i Abela-Mehola akaiky an’i Tabata. |
hosory ho mpanjakan’i Israely i Jehoa, zanak’i Namsì, ary hosory ho mpaminany handimby anao i Elisea, zanak’i Safata, avy any Abela Mehôlà.
Banà, zanak’i Ahiloda; azy avokoa i Tanàka sy i Magedao ary i Betsàna rehetra, akaikin’i Sartàna, eo ambanin’i Jezraela, hatrany Betsàna, ka hatrany Abelmehôla, hatrany ambadik’i Jekimaana;
Ny taranak’i Amôna sy i Moaba nitsangana nanohitra ny mponina any an-tendrombohitra Seira hamono sy handringana an’ireo; nony tapitra naringana ny mponina any an-tendrombohitra Seira dia izy samy izy indray no nifanampy nifandringana.
Hamporisika an’i Ejipta hamely an’i Ejipta Aho, ka hiady izy ireo, ny rahalahy amin’ny rahalahy, ary ny sakaiza amin’ny sakaiza, ny tanàna amin’ny tanàna, ary ny fanjakana amin’ny fanjakana.
Satria ny jioga nanavesatra azy, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny tehin’ny mpitoroka azy, dia samy notapahinao, toy ny tamin’ny andron’i Madiàna.
Ny kapan’ny mpiady rehetra tamin’ny fikatrohana mbamin’ny kapaoty nihosin-dra rehetra, dia atao anatin’ny afo: ka levon’ny afo.
Hiantso sabatra hamely azy eny amin’ny tendrombohitra rehetra eny Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh, - ka samy hamotitra ny sabany hamely ny rahalahiny avy izy.
Notrobaranao tamin’ny zana-tsipìkany ihany, ny lohan’ireo antokon’olony, izay nibosesika hamely ahy, tamim-panaovana hobin-kafaliana toy ny efa handevona ny ory ao amin’ny fierin’izy ireo.
haongako ny seza fiandrianan’ny fanjakana, hofoanako ny herin’ny fanjakan’ny firenena; hazerako ny kalesy fiadiana mbamin’ny mpitaingina azy; ny soavaly mbamin’ny mpitaingina azy samy ho lavon’ny sabatry ny namany avy.
Amin’izany andro izany dia hisy zavatra toy izao: Avy amin’i Iaveh no hisian’ny fikorontanana lehibe eo amin’izy ireo, ka samy hisambotra ny tanan’ny rahalahiny avy ny olona, sady hanainga tanana hamely ny namany avy.
Siny tany anefa no itondranay izany rakitra izany, mba hiharihary fa avy amin’Andriamanitra ny halehiben’ny herin’ny Evanjely, fa tsy avy aminay.
dia nihandrona ny rano midina avy any ambony, ka niavosa hoatra ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, akaikin’ny tanànan’i Adoma, izay anilan’i Sartàna, ary tapaka mihitsy ny midina mankany amin’ny Ranomasina Arabaha, dia ny Ranomasin-tSira, ka nita tandrifin’i Jerikô ny vahoaka.
Nony tamin’ny fanimpitony raha nitsoka ny trômpetra ny mpisorona, dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka: «Manakorà, fa efa natolotr’i Iaveh anareo ny tanàna.»
Dia nanakora ny vahoaka, ary nitsoka trômpetra ny mpisorona. Nony nandre ny feon’ny trômpetra ny vahoaka dia nanakora mafy dia mafy, ary nirodana ny manda; koa samy niakatra ny tanàna tamin’ny hitsiny avy ny vahoaka.
Mpisorona fito no hitondra trômpetra fito mafy faneno eo alohan’ny fiara, ary amin’ny andro fahafito ianareo handeha manodidina impito ny tanàna, ary ny mpisorona hitsoka ny trômpetra.
Kanjo nony tonga ny fotoana tokony hanomezana an’i Meroba zanakavavin’i Saola, ho an’i Davida, dia nomena ho vadin’i Hadriela, any Molati, indray kosa izy.