dia hoy i Jakôba tamin’ny fianakaviany, sy tamin’izay rehetra nomba azy: «Ario ny andriamani-kafa eo aminareo; mandiova tena ianareo, ary soloy ny fitafianareo.
Mpitsara 6:25 - Baiboly Katolika Alin’iny ihany, dia hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Alao ny vantotr’ombalahin-drainao, ny ombalahy faharoa, ilay efa fito taona. Ravao ny ôtelin’i Baala izay an-drainao, ary kapao ny Aserah eo anilany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’iny alina iny ihany dia hoy NY TOMPO taminy: Alao ny ombilahin-drainao, dia ilay ombilahy faharoa izay fito taona ka ravao ny alitaran’ny Baala izay an’ny rainao, ary kapao ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha izay eo anilany. DIEM PROTESTANTA Tamin’io alina io ihany ny TOMPO dia nandidy an’i Gidehôna hoe: –Alao ny ombilahin-drainao, ilay faharoa efa fito taona. Ravao ny alitaran’i Bahala izay an-drainao ary kapao ny tsatokazon-tsampy eo anilany; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’io alina io ihany ny TOMPO dia nandidy an’i Gidehôna hoe: –Alao ny ombilahin-drainao, ilay faharoa efa fito taona. Ravao ny alitaran’i Bahala izay an-drainao ary kapao ny tsatokazon-tsampy eo anilany; Baiboly Protestanta Malagasy Ary tamin’izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Alao ny ombilahin-drainao, dia ilay ombilahy faharoa, izay efa fito taona, ka ravao ny alitaran’i Bala, izay an’ny rainao, ary kapao ny Aseraha eo anilany; Malagasy Bible Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Alao ny ombilain-drainao, dia ilay ombilahy faharoa, izay efa fito taona, ka ravao ny alitaran'i Bala, izay an'ny rainao, ary kapao ny Aseraha eo anilany; La Bible en Malgache Tamin’iny alina iny ihany dia hoy NY TOMPO taminy: Alao ny ombilahin-drainao, dia ilay ombilahy faharoa izay fito taona ka ravao ny alitaran’ny Baala* izay an’ny rainao, ary kapao ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha* izay eo anilany. |
dia hoy i Jakôba tamin’ny fianakaviany, sy tamin’izay rehetra nomba azy: «Ario ny andriamani-kafa eo aminareo; mandiova tena ianareo, ary soloy ny fitafianareo.
Ary i Elia tamin’izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe: «Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa ianareo? Raha i Iaveh no Andriamanitra manaraha azy, fa raha i Baala kosa, manaraha azy.» Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka.
Ho tafarina ianao, raha miverina amin’ny Tsitoha, sy manesotra ny heloka lavitra ny lainao.
Hitandrina ny lalan’ny tsy fananan-tsiny aho. - Rahoviana no ho tonga aty amiko Ianao? - Handeha amin’ny fahitsian’ny foko aho, eo afovoan’ny tranoko.
Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy.
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho hàlany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombàny, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.
Fa namaly i Piera sy i Joany ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Tsaraonareo raha marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny manaiky anareo mihoatra noho an’Andriamanitra;
Fa namaly i Piera sy ny Apôstôly ka nanao hoe: «Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona.
Fa izao no ataovy amin’izy ireo: ravao ny ôteliny, montsàny ny tsangam-batony, kapao ny aserîmany, ary doroy amin’ny afo ny sarin-javatra voasokiny;
Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh ny zanak’i Israely: I Iaveh nohadinoiny, fa i Baala sy ny Askerôta no notompoiny,
Raha efa izany manorena ôtely eo an-tampon’ity fitoerana mimanda ity, ho an’i Iaveh Andriamanitrao, sy manamboara azy, ka alao ilay ombalahy faharoa, ary manolora sorona dorana amin’ny hazon’Aserah hokapainao.»