Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 6:11 - Baiboly Katolika

Ary tonga ny Anjelin’i Iaveh ka nipetraka teo ambanin’ny terebinta tao Efrà, izay an’i Jôasy, fianakavian’i Abiesera. Nively vary teo amin’ny fitoerana famiazam-boaloboka i Jedeôna zanany tamin’izay, mba hapetrany amin’izay tsy hahitan’i Madiàna azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia tonga ilay Anjelin’NY TOMPO ka nipetraka teo ambanin’ny hazo terebinta teo Ofra, izay an’i Joasy Abiezerita. Tamin’izay i Gideona zanany dia nively vary tao amin’ny famiazam-boaloboka mba hanafenany azy tamin’ny Midianita.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary tonga tao an-tanàna Hôfrà ilay anjelin’ny TOMPO ka nipetraka teo ambanin’ny hazo terebinta izay an’i Jôasy lehilahy anisan’ny tarik’i Abihezera. I Gidehôna zanakalahin’i Jôasy tamin’izay dia teo am-pivelezam-bary tao amin’ny famiazam-boaloboka mba tsy ho hitan’ny Midianita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary tonga tao an-tanàna Hôfrà ilay anjelin’ny TOMPO ka nipetraka teo ambanin’ny hazo terebinta izay an’i Jôasy lehilahy anisan’ny tarik’i Abihezera. I Gidehôna zanakalahin’i Jôasy tamin’izay dia teo am-pivelezam-bary tao amin’ny famiazam-boaloboka mba tsy ho hitan’ny Midianita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia tonga Ilay Anjelin’i Jehovah ka nipetraka teo ambanin’ny hazo terebinta teo Ofra, izay an’i Joasy Abiezrita; ary Gideona zanany nively vary tamin’ny fàntaka teo anilan’ny famiazam-boaloboka mba hafeniny amin’ny Midiana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia tonga Ilay Anjelin'i Jehovah ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta teo Ofra, izay an'i Joasy Abiezrita; ary Gideona zanany nively vary tamin'ny fantàka teo anilan'ny famiazam-boaloboka mba hafeniny amin'ny Midiana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia tonga ilay Anjelin’NY TOMPO* ka nipetraka teo ambanin’ny hazo terebinta* teo Ofra, izay an’i Joasy Abiezerita. Tamin’izay i Gideona zanany dia nively vary tao amin’ny famiazam-boaloboka mba hanafenany azy tamin’ny Midianita.

Jereo ny toko



Mpitsara 6:11
17 Rohy Ifampitohizana  

Hitan’ny Anjelin’i Iaveh teo anilan’ny loharano anankiray tany an’efitra izy, dia teo anilan’ilay loharano amin’ny lalana mankany Sora.


ary ilay anjely namonjy ahy ho afaka tamin’ny loza rehetra, hitso-drano an’ireto zaza ireto. Aoka hantsoina amin’ny anarako, sy amin’ny anaran’i Abrahama sy i Isaaka razako izy; ary hitombo ho maro dia maro, eo amin’ny tany.»


Nony niala teo i Elia, dia nahita an’i Elisea, zanak’i Safata niasa tany. Omby efatra amby roapolo tsiroaroa no teo alohany, ka teo amin’ny faha laharana 12 izy. Nanatona azy i Elia sady natsipiny taminy ny kapaotiny.


Tamin’ny fahorian’ireo rehetra, niory koa izy, ary ny Anjelin’ny tavany namonjy azy ireo. Noho ny fitiavany sy ny hamoram-pony dia ny Tenany no nanavotra azy ireo; nanohana sy nivimbina azy, nandritra ny andro rehetra fahiny.


Izao no zanak’i Galaada: i Jezera iavian’ny fokon’ny Jezerita, avy amin’i Heleka ny fokon’ny Helikita,


Ary inona koa no holazaiko? Tsy ho ampy ny andro hilazako ny amin’i Jedeôna, i Baràka, i Samsôna, i Jefte, i Davida, i Samoela, mbamin’ny mpaminany:


Ny taranak’i Manase sisa koa dia samy nomena anjara araka ny fianakaviany avy, dia ny taranak’i Abiezera, ny taranak’i Sekema, ny taranak’i Hefera, ary ny taranak’i Semidà; ireo no zanaka lahin’i Manase zanak’i Josefa, araka ny fianakaviany.


i Beteta, i Avîma, i Afarà, i Ofera,


Niseho tamin-dravehivavy ny Anjelin’i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Momba ianao izao, ka tsy manan-janaka, nefa hanana anaka kosa ianao, ka hitera-dahy.


Dia nandeha nilaza tamin’ny lahy ravehivavy nanao hoe: «Nisy olon’Andriamanitra tonga tatỳ amiko; tahaka ny Anjelin’Andriamanitra no fijery ny endriny, endrika mahatahotra. Tsy nanontany izay niaviany aho ary izy tsy nampahalala ahy izay anarany;


Ozòny i Mezôra, hoy ny Anjelin’i Iaveh, Ozòny dia ozòny ny mponina ao! Fa tsy mba tonga hanampy an’i Iaveh ireny, fa tsy nanampy an’i Iaveh ireny niaraka tamin’ny mahery.


Niseho taminy ny Anjelin’i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Momba anao i Iaveh, ry lehilahy mahery.» Fa hoy i Jedeôna taminy:


Fa izao no navalin’i Jedeôna azy: «Zinona moa no nataoko raha oharina amin’ny anareo? Moa tsy ny fitsimponam-boalobok’i Efraima aza no tsara, noho ny fararanom-boalobok’i Abiesera?


Dia tonga tao an-trano-drainy, tany Efrà izy, ary namono ny rahalahiny fitopolo lahy zanak’i Jerobaala, teo ambonin’ny vato iray ihany. Tsy nisy afa-nandositra afa-tsy i Joatama, ilay faralahin’i Jerobaala, irery, satria niery io.