Mijery ny tany Izy dia mihorohoro io; manendry ny tendrombohitra Izy dia midonaka ireny.
Mpitsara 5:5 - Baiboly Katolika Nihozongozona teo anatrehan’i Iaveh ny tendrombohitra, dia io Sinaia io teo anatrehan’i Iaveh Andriamanitr’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny tendrombohitra dia nikorian-drano teo anatrehan’NY TOMPO. Eny, irỳ Sinay irỳ, teo anatrehan’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. DIEM PROTESTANTA ny tendrombohitra niempo teo anatrehanao, ry TOMPO niseho tany Sinay; ny tendrombohitra niempo teo anatrehanao, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny tendrombohitra niempo teo anatrehanao, ry TOMPO niseho tany Sinay; ny tendrombohitra niempo teo anatrehanao, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy Ny tendrombohitra niempo teo anatrehan’i Jehovah. Eny, na dia irỳ Sinay irỳ aza teo anatrehan’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. Malagasy Bible Ny tendrombohitra niempo teo anatrehan'i Jehovah. Eny, na dia iry Sinay iry aza teo anatrehan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. La Bible en Malgache Ny tendrombohitra dia nikorian-drano teo anatrehan’NY TOMPO. Eny, irỳ Sinay irỳ, teo anatrehan’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. |
Mijery ny tany Izy dia mihorohoro io; manendry ny tendrombohitra Izy dia midonaka ireny.
Ny tendrombohitra nifalihavanja, tahaka ny ondralahy; ary ny havoana tahaka ny zanak’ondry.
Ry Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan’ny vahoakanao Ianao, ka nandroso teo amin’ny efitra. - Selà
dia nihozongozona ny tany, nitsonika teo anatrehan’Andriamanitra hatramin’ny lanitra aza. I Sinaia aza nihararetra teo anatrehan’Andriamanitra, Andriamanitr’i Israely.
Miempo hoatry ny savoka ny tendrombohitra eo anatrehan’i Iaveh, dia eo anatrehan’ny Tompon’ny tany rehetra.
Nivoa-tsetroka ny tendrombohitra Sinaia manontolo, satria tanaty afo no nidinan’i Iaveh nankeo amboniny, ka nipololotra toy ny avy amin’ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihovotrovotra iray ihany ny tendrombohitra manontolo.
Ren’ny olona rehetra ny kotroka sy ny feon’ny trômpetra, hitany ny lelafo sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ka nangovitra sy nijanona teny lavitra teny izy ireo nony nahita izany.
Izahay hatry ny ela, no efa hoatra ny olona tsy tapahinao akory, sy tsy iantsoana intsony ny Anaranao. Inay Ianao mandriatra ny lanitra, dia midina, - dia hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra!
Mihorohoro ny tendrombohitra eo anoloany, ary miempo ny havoana; mientanentana ny tany eo anatrehany, dia izao tontolo izao sy izay rehetra monina eo aminy.
Nahita anao ny tendrombohitra ka mangovitra, nisy rambon-danitra nandalo, niloa-peo ny hantsana sady nanangan-tanana mankany ambony.
Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra,