ka indro Andriamanitra hanongana anao mandrakizay kosa; hosamboriny sy hotsoahany avy eo an-dainao ianao, dia hofongorany eo amin’ny tanin’ny velona. - Selà
Mpitsara 5:27 - Baiboly Katolika Miretaka eo an-tongony, lavo miampatra izy; miretaka eo an-tongony lavo izy, ary eo amin’izay iretahany ihany, no itsirany tsy misy aina intsony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Teo an-tongo-dRavehivavy izy no nitolefika, lavo, niampatra; eny, teo an-tongony izy no nitolefika, lavo; teo amin’izay nampitolefika azy no niamparan’ny fatiny. DIEM PROTESTANTA Teo an-tongo-dravehivavy izy no nitolefika sy nianjera ary nitsitra; teo an-tongo-dravehivavy teo izy no nitolefika sy nianjera; teo amin’ny nahatolefika azy teo izy no nianjera ka maty. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Teo an-tongo-dravehivavy izy no nitolefika sy nianjera ary nitsitra; teo an-tongo-dravehivavy teo izy no nitolefika sy nianjera; teo amin’ny nahatolefika azy teo izy no nianjera ka maty. Baiboly Protestanta Malagasy Teo amin’ny tongo-dravehivavy no niondrehany–nahalavoany–niamparany, Eny, teo amin’ny tongony no niondrehany–nahalavoany; Teo amin’izay niondrehany no niamparan’ny fatiny. Malagasy Bible Teo amin'ny tongo-dravehivavy no niondrehany nahalavoany niamparany, eny, teo amin'ny tongony no niondrehany nahalavoany teo amin'izay niondrehany no niamparan'ny fatiny. La Bible en Malgache Teo an-tongo-dRavehivavy izy no nitolefika, lavo, niampatra; eny, teo an-tongony izy no nitolefika, lavo; teo amin’izay nampitolefika azy no niamparan’ny fatiny. |
ka indro Andriamanitra hanongana anao mandrakizay kosa; hosamboriny sy hotsoahany avy eo an-dainao ianao, dia hofongorany eo amin’ny tanin’ny velona. - Selà
fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.
Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay tsy namindra fo; ary ny famindram-po no maharesy ny fitsarana.
Ny tanany anila mandray ny tsima-day, ary ny tanany havanana ny tantanan’ny mpiasa. Dia asiany i Sisarà, vakìny ny lohany; torotoroiny, gorobahany ny fihirifany.
Eo am-baravarankely amin’ny makarakara, no mijery ny renin’i Sisarà sady mikiakiaka: ‹Nahoana izato kalesiny no dia ela fiavy? Nahoana izato saretiny no dia miadam-pandeha?›