Mpitsara 5:22 - Baiboly Katolika Nikatrokatroka tamin’izay ny kitron’ny soavaly, tamin’ny hazakazaka, dia ny firiotran’ny mpiadiny, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’izany dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly noho ny firimorimony, dia ny firimorimon’ny maheriny. DIEM PROTESTANTA Dia nihazakazaka mafy ny soavaly; ka nikatrokatroka ny hitsa-kitrony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nihazakazaka mafy ny soavaly; ka nikatrokatroka ny hitsa-kitrony. Baiboly Protestanta Malagasy Tamin’izany dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly Noho ny fihazakazaka, dia ny fihazakazaky ny maheriny. Malagasy Bible Tamin'izany dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly noho ny fihazakazaka, dia ny fihazakazaky ny maheriny. La Bible en Malgache Tamin’izany dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly noho ny firimorimony, dia ny firimorimon’ny maheriny. |
Fantatro sahady fa namonjy ny voahosony i Iaveh; hihaino azy Izy any an-danitra, fonenany masina, amin’ny famonjena mahery hataon’ny tanany ankavanana.
ny soavaly tsy vanon-kampahazo famonjena; ary ny havitrihany rehetra tsy ahazoana antoka amin’ny fahafahana.
Voaranitra avokoa ny zana-tsipikany, voahenjana avokoa ny tsipìkany; mafy tahaka ny vato ny kitron-tsoavaliny; tahaka ny tadio ny kodiaran-tsaretiny.
Rehefa re ny fikatraokan’ny tongo-tsoavaliny, sy ny firodorodon’ny kalesiny aman-tabataban’ny kodiarany: tsy miherika izay zanany intsony ny rainy, fa efa miraviravy tanana fatratra ny olona.
Izany dia noho ny fahatongavan’ny andro handringanana ny Filistinina rehetra; handripahana an’izay sisa amin’ny mpikambana amin’i Tira sy i Sidona; fa horavan’i Iaveh ny Filistinina, izay sisa amin’ny nosy Kaftôra.
Re hatrany Dana ny fiefonefon’ny soavaliny. Raha mahare ny fanenon’ny soavaliny dia mihorohoro avokoa ny tany. Tonga izy dia levoniny ny tany mbamin’izay ao aminy, ny tanàna mbamin’ny mponina ao aminy.
Ry zareo taranak’i Tôgôrmà, dia soavaly mpitarika kalesy, soavaly fitaingina, ary mole, no nandoavany ny vidin’ny entanao.
Mitsangàna ka mihose, ry zanaka vavin’i Siôna, fa ny tandrokao hataoko vy, ary ny kitronao, hataoko varahina, ka hanorotoro firenena maro ianao, ka hanokana ny tombon-karena azony ho an’i Iaveh aho, sy ny hareny, ho an’ny Tompon’ny tany rehetra.