Fa hoy i Abrama tamin’ny mpanjakan’i Sôdôma: «Izaho efa nanangan-tanana tamin’i Iaveh Andriamanitra avo indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
Mpitsara 5:19 - Baiboly Katolika Tonga ireo mpanjaka ka nandrafitra ady izy ireo, nandrafitra ady tamin’izay ireo mpanjakan’i Kanaana, dia tao Tanàka teo amoron’ny ranon’i Magedao, fa tsy nahazo na dia akoram-bolafotsy iray aza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady ireo mpanjakan’i Kanana, tany Tanàka, teo anilan’ny ranon’i Megido nefa tsy nisy volafotsy azony ho babo. DIEM PROTESTANTA Tonga hiady ireo mpanjakan’i Kanahàna ka dia nanafika tao Tahenàka, teo akaikin’ny loharanon’i Megidao, nefa tsy nahazo na babo na volafotsy! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tonga hiady ireo mpanjakan’i Kanahàna ka dia nanafika tao Tahenàka, teo akaikin’ny loharanon’i Megidao, nefa tsy nahazo na babo na volafotsy! Baiboly Protestanta Malagasy Tonga ireo mpanjaka ka niady, Eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan’i Kanana, Dia teo anilan’ny ranon’i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo. Malagasy Bible Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan'i Kanana, dia teo anilan'ny ranon'i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo. La Bible en Malgache Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady ireo mpanjakan’i Kanana, tany Tanàka, teo anilan’ny ranon’i Megido nefa tsy nisy volafotsy azony ho babo. |
Fa hoy i Abrama tamin’ny mpanjakan’i Sôdôma: «Izaho efa nanangan-tanana tamin’i Iaveh Andriamanitra avo indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
Raha efa izany dia niala teo anatrehan’i Iaveh i Kaina, ka nonina tany amin’ny tany Nôda, atsinanan’i Edena.
Banà, zanak’i Ahiloda; azy avokoa i Tanàka sy i Magedao ary i Betsàna rehetra, akaikin’i Sartàna, eo ambanin’i Jezraela, hatrany Betsàna, ka hatrany Abelmehôla, hatrany ambadik’i Jekimaana;
Tamin’ny androny, niakatra hamely ny mpanjakan’i Asiria any amin’ny Ony Eofrata, i Faraôna-Nekao mpanjakan’i Ejipta, ary nandeha hanehatra azy i Josiasa mpanjaka. Kanjo vao hitan’i Faraôna izy dia matiny tao Magedao.
Tsy nety niodina niala taminy anefa i Josiasa, fa nanao fitafiana hafa izy hamely azy: tsy nohenoiny akory ny tenin’i Nekô, avy amin’ny vavan’Andriamanitra, fa nandroso izy hiady eo amin’ny lemak’i Magedao.
Izao no lasan’i Manase tao amin’ny tanin’i Isakara sy i Asera: i Bety-Sàna sy ny tanàna momba azy, i Jeblaama sy ny tanàna momba azy, ny mponina ao Dôra sy ny tanàna momba azy, ny mponina ao Tenàka sy ny tanàna momba azy, ny mponina ao Magedao sy ny tanàna momba azy: ireo no faritan’i Havoan-telo.
Ary any amin’ny fitoerana atao amin’ny teny hebrio hoe: Armagedaona no namoriana azy ireo.
Dia hitako fa nivory ny Biby sy ny mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny, mba hiady amin’ilay nitaingina ny soavaly sy amin’ny tafiny.
I Manase tsy nandroaka ny mponina tao Betsàna sy ny tanàna momba azy, na ny tao Tanàka sy ny tanàna momba azy, na ny mponina tao Dôra sy ny tanàna momba azy, na ny mponina tao Jeblaamà sy ny tanàna momba azy, ka nahazo toky hipetraka amin’izany tany izany ny Kananeanina.
ka nasainy nentina avy tany Harôseta-Gôïma ny kalesiny vy sivin-jato mbamin’ny vahoaka rehetra izay tao aminy, ho ao amin’ny ranon-driaka Sisaona.
Tsy nahita va izy ireo, tsy mizara babo va izy ireo? Zazavavy iray, zazavavy roa ho an’ny isa-mpiady; lamba misoratsoratra ho babon’i Sisarà; lamba samihafa soratra ho babo, lamba misoratsoratra iray, lamba roa samy hafa soratra ho eo an-tsoroky ny vavy.