Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 3:17 - Baiboly Katolika

Natolony an’i Eglôna mpanjakan’i Moaba ny fanomezana, ary lehilahy matavy be i Eglôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nitondra ilay fanomezana ho an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, izy; ary i Eglona dia lehilahy natavy be.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nandeha izy nanatitra fanomezana ho an’i Heglôna izay lehilahy matavibe.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nandeha izy nanatitra fanomezana ho an’i Heglôna izay lehilahy matavibe.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nitondra ny fanomezana ho an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, izy; ary lehilahy matavibe Eglona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nitondra ny fanomezana ho an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, izy; ary lehilahy matavibe Eglona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nitondra ilay fanomezana ho an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, izy; ary i Eglona dia lehilahy natavy be.

Jereo ny toko



Mpitsara 3:17
10 Rohy Ifampitohizana  

Efa safotry ny taviny ny tavany sady manotraka be ny valahany.


Hia! indray mipy maso monja lahy, dia rava ireny! Levona terỳ! Matin-doza mahatsiravina ka tsy hita intsony!


Mivoaka heloka, avy ao an-kibony, miseho andro ny hevitry ny fony.


mihamatavy mandimandina izy ireo. Mihoa-pampana amin’ny fanaovan-dratsy izy; tsy manao fitsarana marina, fitsarana marina ho an’ny kamboty...nefa ambinina ihany! tsy manome hitsiny ny mahantra.


Eny, mifalia ianareo; eny, miravoravoa ianareo, ry mpamabo ny lovako; eny, aoka hifalihavanja hoatra ny omby vavy kely eny an-tanim-bilona ianareo; sady haneno toy ny soavaly lahy!


Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho handeha hitsara ny adin’ny ondry matavy sy ny ondry mahia:


Nanao sabatra roa lela i Aoda, hakiho no halavany, nafehiny anatin’ny akanjony tamin’ny andilany havanana.


Nony vitany ny fanolorany ny fanomezana dia nalefany ny olona nitondra ny fanomezana;


Nandresy an’i Moaba izy ireo tamin’izany andro izany, tokony ho lehilahy iray alina, samy tomady sy mahery avokoa, ka tsy afa-nandositra na dia iray aza.


Ka ahoana no dia nohosenareo amin’ny tongotrareo ny sorona amam-panatitra ho Ahy izay nodidiako haterina ao amin’ny fonenako? Ary nahoana no dia ny zanakao indray no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, fa anatavezanareo tena ny tsara indrindra amin’ny fanatitra rehetra avy amin’i Israely vahoakako.