Nitsinjaka araka izay tratry ny ainy i Davida teo anatrehan’i Iaveh, ary nisikina efôda rongony madinika i Davida.
Mpitsara 21:21 - Baiboly Katolika dia jereo, ka nony injay mivoaka hiara-mandihy ny zazavavin’i Silao, dia mivoaha avy ao an-tanimboaloboka, ka samia ianareo misambotra izay ho vadinareo amin’ny zazavavin’i Silao, dia handeha hankany amin’ny tanin’i Benjamina indray.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary rehefa hitanareo mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo dia mivoaha avy ao amin’ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin’ny zazavavy avy any Silo izay ho vadiny avy ka mandehana any amin’ny tanin’ny Benjamina indray. DIEM PROTESTANTA ka miandrasa ao. Rehefa mivoaka hiara-mandihy ireo tovovavin’i Silao, dia mipoira avy tao anaty voaloboka ianareo, ka samia misambotra tovovavy iray avy; dia ento miaraka aminareo any amin’ny faritanin’i Benjamîna izy mba ho vadinareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka miandrasa ao. Rehefa mivoaka hiara-mandihy ireo tovovavin’i Silao, dia mipoira avy tao anaty voaloboka ianareo, ka samia misambotra tovovavy iray avy; dia ento miaraka aminareo any amin’ny faritanin’i Benjamîna izy mba ho vadinareo. Baiboly Protestanta Malagasy ka jereo, ka raha, indreo, mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao amin’ny tanimboaloboka hianareo, ary samia misambotra amin’ny zazavavy avy any Silo ho vadiny avy, ka mandehana any amin’ny tanin’ny Benjamina indray. Malagasy Bible ka jereo, ka raha, indreo, mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao amin'ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin'ny zazavavy avy any Silo ho vadiny avy, ka mandehana any amin'ny tanin'ny Benjamina indray. La Bible en Malgache ary rehefa hitanareo mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo dia mivoaha avy ao amin’ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin’ny zazavavy avy any Silo izay ho vadiny avy ka mandehana any amin’ny tanin’ny Benjamina indray. |
Nitsinjaka araka izay tratry ny ainy i Davida teo anatrehan’i Iaveh, ary nisikina efôda rongony madinika i Davida.
Fa hoy kosa ny navalin’i Davida tamin’i Mikola: «Teo anatrehan’i Iaveh izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra, ka nanangana ahy ho andriana tamin’ny vahoakany, tamin’i Israely, teo anatrehan’i Iaveh no nandihizako.
Aoka izy ireo hidera ny Anarany amin’ny dihiny; aoka hihira Azy amin’ny ampongatapaka sy ny harpa!
Miderà Azy amin’ny dihy miaraka amin’ny ampongatapaka! Miderà Azy amin’ny sodina aman-java-maneno tendrena!
Nandray langoroany tapaka i Maria, mpaminany vavy, anabavin’i Aarôna, ary nitondra langoroany nanaraka azy koa ny vehivavy rehetra, dia nandihy.
Fotoana hitomaniana, ary fotoana hihomehezana; fotoana higogogogoana, ary fotoana handihizana.
Amin’izany, hifaly amin’ny dihy ny zazavavy, mbamin’ny zazalahy, sy ny anti-panahy koa. Hampodiko ho fifaliana ny fisaonany, halàko alahelo, hampifaliako izy ireo manaraka ny fijaliany.
Mitandrema, fa hotorin’ny olona amin’ny fitsaràny ianareo, sy hokapohiny ao amin’ny sinagogany;
Niverina nankany an-tranony any Masfà i Jefte, ka inty ny zanany vavy no nivoaka hitsena azy, nitondra amponga tapaka sy nandihy. Zanany vavy tokana io, tsy nanana afa-tsy io izy, tsy nisy lahy na vavy hafa.
ka nomeny didy ny taranak’i Benjamina, nataony hoe: «Mandehana ianareo, manao otrika ao amin’ny tanimboaloboka,
Nony niditra izy ireo, tamin’ny niverenan’i Davida avy namono ilay Filistinina, dia nivoaka avy tamin’ny tanànan’i Israely rehetra ny vehivavy, nihira sy nandihy teo anoloan’i Saola mpanjaka, an-kafaliana, tamin’ny feon’ny ampongatapaka sy ny valiha.