Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 21:13 - Baiboly Katolika

Ary ny fiangonana rehetra nandefa iraka hiteny amin’ny taranak’i Benjamina, tany amin’ny haram-baton’i Remôna sy hanambara ny fihavanana amin’izy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny fiangonana rehetra dia nandefa iraka hiteny tany amin’ny taranak’i Benjamina, izay tao amin’ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy eo ny vahoaka tafangona rehetra dia nandefa iraka nirary fihavanana tamin’ireo Benjaminita nandositra niery tao amin’ny harambaton’i Rimôna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo ny vahoaka tafangona rehetra dia nandefa iraka nirary fihavanana tamin’ireo Benjaminita nandositra niery tao amin’ny harambaton’i Rimôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka niteny tamin’ny taranak’i Benjamina, izay tao amin’ny haram-bato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka niteny tamin'ny taranak'i Benjamina, izay tao amin'ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny fiangonana rehetra dia nandefa iraka hiteny tany amin’ny taranak’i Benjamina, izay tao amin’ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.

Jereo ny toko



Mpitsara 21:13
9 Rohy Ifampitohizana  

Izay manisy fiderana eo am-bava dia milaza manao hoe: «Fiadanana, fiadanana, ho an’ny lavitra sy ny akaiky, hoy i Iaveh, ary hanasitrana azy Aho!...»


Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe: Fiadanana anie ho amin’ity trano ity;


Ary tonga Izy, nitory fihavanana taminareo izay lavitra, sy nitory fihavanana tamin’ireo izay akaiky koa,


«Rehefa mby akaikin’ny tanàna ianao, dia taomy hanao fihavanana izy.


i Lebaôta, i Selima, i Aena, ary i Remôna: totaliny, tanàna 29 ary ny zana-bohiny.


Izay niamboho dia nandositra nankany an’efitra any akaikin’ny haram-baton’i Remôna. Dimy arivo lahy no matin’ny zanak’i Israely teny an-dalana, dia nenjehiny mafy hatrany Jedeôna ihany izy ireny, ka nahafatesany roa arivo koa.


Ny enin-jato lahy niamboho sy nandositra nankany an’efitra, any amin’ny haram-baton’i Remôna dia nitoetra tao amin’ny haram-baton’i Remôna efa-bolana.


Dia nahita zazavavy virjiny efajato tsy mbola nahalala lahy fa tsy nandry tamin-dehilahy izy ireo, teo amin’ny mponina any Jabesy, any Galaada, ka nentiny nankany an-toby tany Silao izay any amin’ny tany Kanaana.


Dia niverina ny Benjaminita tamin’izany andro izany ka nomena azy ireo ny vehivavy navela ho velona tamin’ny vehivavy tany Jabesy, any Galaada, nefa tsy ampy hahenina azy ireo.