Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 20:9 - Baiboly Katolika

Izao kosa ankehitriny no hataontsika amin’i Gabaà: Araka ny filokany no hamelezana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin’i Gibea: Araka ny antsapaka no aoka hiakarantsika hamely azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izao no zavatra hataontsika momba an’i Gibehà.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izao no zavatra hataontsika momba an’i Gibehà.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin’i Gibea: araka ny filokana no aoka hanaovantsika azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin'i Gibea: araka ny filokana no aoka hanaovantsika azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin’i Gibea: Araka ny antsapaka no aoka hiakarantsika hamely azy.

Jereo ny toko



Mpitsara 20:9
9 Rohy Ifampitohizana  

Samy natao tamin’ny filokàna ny fizarazarana azy ireo avy, satria na ny tamin’ny taranak’i Eleazara na ny tamin’ny taranak’i Itamara, dia samy nisy filohany momba ny fitoerana masina, sy filohany amin’ny momba an’Andriamanitra.


Niorim-ponenana tao Jerosalema ny lehiben’ny vahoaka, ary nanaovana filokana ny vahoaka sisa mba ho tonga honina ao Jerosalema tanàna masina ny iray isam-polo, fa ny sivy toko sisa no ho amin’ny tanàna hafa.


Ny olona manipy ny filokana amin’ny soron’akanjo, fa avy amin’i Iaveh ihany izay fanapahana rehetra.


Ary nifampilaza izy ireo nanao hoe: «Avia, hanao filokàna isika, mba hahafantarantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika». Dia nanao filokana izy dia i Jônasy no voan’ny filokana.


Dia nanaovany loka izy roa lahy, ary i Matiasy no nahazo ny loka, ka izy no lany ho isan’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy.


Filokana no nahazoany ny lovany, araka ny nandidian’i Iaveh ho an’ny foko sivy sy ny antsasa-poko;


Ny fokon’i Israely rehetra dia hangalantsika lehilahy folo isan-jato, zato isan’arivo, arivo isan’alina, handeha haka vatsy ho an’ny vahoaka, ka rehefa tonga izy, dia araka ny zavatra mahafa-baraka indrindra nataony tamin’i Israely no hatao amin’i Gabaàn’i Benjamina koa».


Indray nitsangana, toy ny olona iray ihany, ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: «Tsy hisy hiverina any an-daintsika akory isika na hody any an-tranontsika.